Ny iraka irahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Jolay 2026

Sal 145.01-5 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753

Eksodosy 6,1 - 13
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny. 2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah. 9 Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. 10 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 11 Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny. 12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? 13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.

Ny Iraka irahin’Andriamanitra dia:

1- Mampahafantatra ny anarany

Miverina in’efatra eto amin’ity mofonaina ity ny anarana hoe « Izaho no Jehovah » (and 2,6,7,8), izay manamafy ny fahefany, sy anehoany ny Tenany koa fa Andriamanitra Tsitoha Izy (and 3). Nasain’Andriamanitra nambaran’i Mosesy io anarana io, ary naverimberina mba horenesin’izy ireo manoloana ny tontolo misy azy, dia ny fampanantenana ny amin’ny fanafahana azy ireo teo ambany fanapahan’i Egypta. Io anarana hoe Jehovah io no mampisongadina ny hery ahaizany maneho sy manatanteraka ny zavatra nampanantenainy (Gen 17.1). Ry havana, raha misy geja mahazo, na mamatotra avy amin’ny satana, tsarovy fa ny fanononana ny anaran’i Jesoa Kristy no vahaolana voalohany ahazoana fanafahana. Irahin’Andriamanitra isika hilaza izany amin’ny olona rehetra.

2- Milaza ny teny fampanantenana

« Koa lazao amin’ny zanak ‘Israely hoe Izaho no Jehovah ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana…no hamonjeko anareo »(and 6). Teny fampanantenana nomena ny Zanak’Israely izany mba haneken’izy ireo mandrakariva ao an-tsaina fa tsy misy hafa hamonjy azy ireo afa-tsy Jehovah ihany. Tsy hoe fanafahana ihany no ataon’i Jehovah amin’izy ireo, fa eo koa ny hampidirana azy ireo ao amin’ny tany izay nananganany tanana homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Jesoa Kristy koa ry havana dia nampanantena fiainana mandrakizay ho antsika izay mino Azy. Izany no lova tsara ho an’izay mpanara-dia Azy sy manaiky ny Teniny. Minoa fa tsy ho foana akory ny fanantenanao raha mbola co ny Tompo.

Fanontaniana:

Mety mbola misy Kristiana tsy mino ny fiainana mandrakizay ve?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Manaiky ho iraka ny mpino

Alahady, 26 Jolay 2026

Manaiky ho iraka ny mpino 1.Amin’izay anirahan’Andriamanitra azy I Mosesy eto no antsoin’Andriamanitra sy irahiny…

Manaiky ho IRAKA ny mpino

Asabotsy, 25 Jolay 2026

Manaiky ho iraka ny mpino 1-Ho amin’ny fiaraha-miasa samy mpino Entanina mba hanohana ny mpitondra…

Ny IRAKA anirahan’ny Tompo

Zoma, 24 Jolay 2026

Ny IRAKA anirahan’ny Tompo 1-Hampahery ny tànana miraviravy Miresaka ny zava-nanjo an’i Edoma ny toko…