Manaiky ho iraka ny mpino
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Jolay 2026
Sal. 117 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 446. 1, 2
2 Korintiana 13,1 - 4
1 Izao no fanintelon'ny hankanesako at? aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15). 2 Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra, 3 satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa. 4 Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.Manaiky ho iraka ny mpino
1.Amin’izay anirahan’Andriamanitra azy
I Mosesy eto no antsoin’Andriamanitra sy irahiny hanafaka ny olony eo ambany fanandevozan’ny Egypta. Nitaraina tamin’Andriamanitra ny vahoaka noho ny fahoriana nafitsok’i Farao sy ny Egyptiana, ary azo lazaina fa nihatra amin’ny ainy mihitsy aza izany (and.7). Tranga mety hiseho eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika koa izanyry havana, ary hita miharihary iainan’ny mpiara-belona. Miantso antsika ny Tompo, irahiny isika ho amin’izany fiaraha-monina izany, meteza ho iraka, manaiky amin’izay anirahana, ka miteny hoe : « inty aho, iraho aho. » (Isa. 6, 8) fa tsy hoe : « inty aho, iraho izy. »
2.Hitondra ny teny fampanantenana
Fitenenana efa zary ohabolana ny hoe : « tondra-dronono sy tantely » (and. 8); ilazana sy anehoana ny fitobaky ny vokatra any amin’ny tany izay nampanantenain’Andriamanitra ny vahoakany, dia ny zanak’Israely izany. Izany hoe tondraka ny sakafo sady azo antoka tsara (Lev. 20, 24 ; Deo. 6, 3 ; Jos. 5, 6)
3.Hilaza ny anaran’Andriamanitra
« Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay » (and. 14). Izy Andriamanitra miasa sy manatrika no maniraka ny mpanompony. Izy Andriamanitra velona izay tsy afa-misaraka amin’ny vahoakany no te-hampitondra an’i Mosesy izao fanafahana ny zanak’Israely izao. Milaza ny fitiavany tsy miova sy ny fiahiany ny Anarany, fiombonana aina Aminy. Mifanaraka amin’ny teny fikasana ao amin’ny fanekena izany : « mba ho Andriamanitrao » (Gen. 17, 7). Zava-dehibe tokoa ny Anaran’Andriamanitra, ary mandrakizay, tsy miova hatramin’ny taranaka mandimby (and. 15). Eo anivon’ny vahoaka mandrakariva Andriamanitra, fa izao no voasoratra : « miaraka amintsika Andriamanitra » (Mat. 1,23)
Fanontaniana :
Tsaroanao ve fa eo amin’ny fiainanao mandrakariva Andriamanitra ?
Foibe Sampana Sekoly Alahady