Ny olona manaiky irahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Jolay 2026

Sal 98, 1-3 / Hira 351:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332: 1

1 Mpanjaka 17,8 - 16
8 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: 9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. 10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko. 11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. 12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento et? amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. 16 Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.

Ny olona manaiky irahin’Andriamanitra

1. Karakarain’ Andriamanitra (and 8-9)

Nasain’Andriamanitra nankany Zarefata i Elia, ary nilaza fa efa nanomana vehivavy mpitondrantena iray hikarakara azy Izy. Na dia tena sahirana aza ilay vehivavy, satria koba kely sy diloilo sisa no nananany, dia nino sy nanaiky ny Tenin’Andriamanitra izy rehefa nilaza i Elia hoe: « …anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento ety amiko… » (and 13). Ny vokany dia izay hita eo amin’ny andininy faha 14-16: « …Tsy lany ny koba ary tsy ritra ny diloilo ». Rehefa manaiky ny iraka sy ny Tenin’Andriamanitra ny olona dia Andriamanitra mihitsy no mikarakara, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Aza matahotra na manahy, fa hain’Andriamanitra ny mikarakara ny mpanompony, tsy mamela azy ho irery Izy.

2. Tonga fitahiana ho an’ny hafa (and 14)

Noho ny fanambaran’i Elia sy ny faneken’ilay vehivavy mpitondrantena ny Tenin’Andriamanitra, dia voavonjy tamin’ny mosary i Elia sy ilay vehivavy mpitondrantena mbamin’ny zanany. Ny fahatokiana an’Andriamanitra dia mahatonga ny mpanompony ho lasa fantsom-pitahiana ho an’ny hafa. Mampiseho fa ny olona manaiky ny iraka avy amin’Andriamanitra dia tsy mijanona ho voatahy irery, fa lasa mitondra famonjena ho an’ny olona manodidina azy. Mampandini-tena antsika mpanompon’Andriamanitra ankehitriny izany: tokony hitondra fitahiana isika, fa tsy sanatria isika indray no mahatonga fahatafitohinana, na fahasahiranana, ka mahatonga azy tsy hahalala an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fanatanterahanao ny asa nankinin’ny Tompo aminao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny asan’Andriamanitra

Talata, 21 Jolay 2026

Ny asan’Andriamanitra 1. Maniraka mpanompo (and 1) « Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra…

Andriamanitra maniraka ny mpanompony

Alatsinainy, 20 Jolay 2026

Andriamanitra maniraka ny mpanompony 1. Maneho ny heriny (and 12b-14) Narary i Ahazia mpanjaka ka…

Ny miaramila tsaran’i Kristy

Alahady, 19 Jolay 2026

Ny miaramila tsaran’i Kristy 1. Vonona hiady amin’ny ratsy (and 14-16) Tanisan’i Paoly ireo fiadiana:…