Andriamanitra mpitsara marina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Jolay 2026
Sal.31 . 1-5 / HF 29 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 39
Ezekiela 33,10 - 16
10 Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay? 11 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? 12 Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany. 13 Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy] 14 Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy] 15 ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. 16 Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.Andriamanitra Mpitsara Marina
1- Mitaona ny olona hiala amin’ny ratsy
« …Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely? » (and. 11). Babo tany Babylona ny Jiosy noho ny halatra sy fanararaotana, ny fanaovana tsatoka, ary ny tsy fahamarinana samihafa. Rehefa babo izy ireo, dia nihevitra hoe: « aleo izahay ho faty amin’ny fahadisoanay ». Ahitsin’i Jehovah izany fomba fisainana izany. Tsy ny hahafaty ny olona no tanjon’i Jehovah amin’ny famaizana na fanitsiana fa ny hialany amin’ny ratsy. Ka ny olona izay efa niharan’ny famaizan’i Jehovah kanefa mbola minia manao ratsy no taomina hisafidy fahavelomana. Jesoa Kristy no fiainana sy fahavelomana. Noho izany, izay rehetra te-ho velona dia miala amin’ny ratsy ka mankato ny Teniny.
2- Mamaly ny olona araka ny ataony (And. 12)
Raha milaza amin’ny olona Jehovah fa ho velona kanefa miala amin’ny marina izany olona izany dia ho faty ihany izy; raha milaza kosa Izy fa ho faty kanefa miala amin’ny ratsy fanaony izany olona izany, dia ho velona indray. Ny ataon’ny olona no mamaritra ny fahavelomany na ny fahafatesany. Mametraka safidy eo amin’ny olona Andriamanitra ka ny ataony no mamaritra ny safidiny. Raha manao ny marina izy dia misafidy fiainana fa raha manao ny tsy marina kosa izy dia misafidy fahafatesana. Noho izany, tsy ny ataon’i Jehovah akory no mahafaty na mahavelona fa ny safidiny no itsarana azy. Efa nomena an’i Kristy ny fahefana hitsara ny velona sy ny maty. Koa manaova ny marina dia ho velona sy handova ny fiainana mandrakizay ianao izay efa nomanin’i Jesoa Kristy ho an’izay rehetra mino Azy.
Fanontaniana
Inona no mahatonga ny maro hisafidy ny fahafatesana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady