Ny tena vahoakan’Andriamanitra tokoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Jolay 2026

Sal. 96. 1-3/1HF 13/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira164

Jeremia 27,16 - 22
16 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. 17 Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity? 18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema 19 Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe* sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,[Heb. ranomasina] 20 dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, 21 eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema: 22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.

Ny tena vahoakan’Andriamanitra tokoa

1-Mandà ny mpaminany sandoka

« Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo… » (and. 16). Izany no teny nataon’i Jehovah tamin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. Tonga ny Babyloniana ka nitondra ireo fanaky ny Tempoly tao Jerosalema ho any aminy. Nanoloana izany, dia nisy irco mpaminany sandoka izay nilaza fa tsy ho cla dia hiverina avy any Babylona ny fanaka izay norobain’izy irco tao amin’ny Tempoly. Tsy marina anefa izany fa vao mainka mampitombo ny famaizana aza izany. Eto àry. mananatra antsika Andriamanitra: Aza manaraka ny tenin’ny mpaminany sandoka! Ary endrika iray amantarana ny filazany teny « tsara », « fiadanana » kanefa tsy izany akory ny tena zava-misy marina. Tandremo sao voafitaka hoy Jesoa Kristy.

2- Manaraka ny tenin’i Jehovah

« Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy » (and. 22) Ambaran’i Jeremia, izay mpaminan’i Jehovah fa mbola ho avy ny Babyloniana haka ny fanaka ao amin’ny Tempoly sy ny ao an-tranon’ny mpanjaka. Marihina fa nitoky tamin’ny fisian’ny Tempoly tao aminy ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’izany. Famaizana vokatry ny tsy fankatoavana ny Tenin’i Jehovah ny fandrobana ataon’ny Babyloniana eto. Fahadisoana sy heloka bevava co anatrehan’Andriamanitra ny fitokiana amin’ny zavatra hitan’ny maso mihoatra noho ny fankatoavana ny Teniny. Ary ny fiverenana amin’ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy, Ilay Tenin’ Andriamanitra tonga nofo ihany no hiaro sy hanafaka amin’ny loza mety hitranga.

Fanontaniana:

Nahouna no tsy mety mitoky amin’ny tenin’i Kristy ny olona »

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mankato ny didin’Andriamani...

Alahady, 5 Jolay 2026

Ny olona mankato ny didin’Andriamanitra 1- Mankato ny irany Izay rehetra andidianao anay dia hataonay;…

Jesoa Kristy maniraka ny olony

Asabotsy, 4 Jolay 2026

Jesoa Kristy maniraka ny olony 1- Manome azy ny teniny << Raiso, ka hano avokoa…

Ny olom-boahosotr’i Jehovah

Zoma, 3 Jolay 2026

Ny olom-boahosotr’i Jehovah 1- Araka ny irak’Andriamanitra « Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Isiraely…