Ny fampianaran’i Jesoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Jona 2026

Sal.119,105-112 / Hira.243 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.6

Matio 7,24 - 29
24 Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy. 25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy. 26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika. 27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany. 28 Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, 29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.

Ny fampianaran’i Jesoa

Ity Soratra Masina ity no mamarana ny toritenin’i Jesoa teny an-tendrombohitra, izay nitondrany fampianarana maro samihafa tena nahavariana ny olona. Ny fampianaran’i Jesoa dia:

1. Mila tanterahina fa tsy henoina fotsiny (and.24-27)

Ny famaranan’i Jesoa ny fampianarana dia fampandinihan-tena. Voasokajy ho roa ireto vahoaka mihaino: ny iray manan-tsaina, dia irco izay manatanteraka izay rehetra nolazainy; ny iray kosa adala, dia ireo izay mihaino fotsiny ihany fa tsy mankato. Mitaona ny vahoaka nanara-dia sady nihaino Azy ny Tompo mba hiaina ny fampianarana nomeny. Hitera-doza sy faharavana ny tsy fampiharana izay nolazain’i Jesoa, fa hitondra fahasoavana kosa, trano mijoro, izay mankato. Tsy ny fanatrehana na fihainoana fampianarana maro no hitarika ho amin’ny famonjena fa ny fiainana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny hafatra.

2. Mitondra fanavaozana (And.28-29)

Miavaka ny fampiaran’i Jesoa satria manova sy manavao any anaty lalina, any fa tsy ivelambelany fotsiny. Asehony miharihary fa ny Teniny rehetra dia avy amin’Andriamanitra Ray avokoa ka marina tsy azo iandian-kevitra, fa tsy toy ny fanaon’ny mpanora-dalana. Ny fiainany koa dia mifanaraka tsara amin’izay rehetra ampianariny, ary hitan’ny olona rehetra manaraka Azy izany. Arahiny fanoharana sy ohatra mazava eo amin’ny fiainana andavan’andro. Vokatr’izany dia mora azo sady voarain’ny sokajin’olona rehetra ny Teniny. Izany no mahatalanjona ireto vahoaka nihaino Azy satria fampianarana mitarika izay mandre haka fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainany. Koa ekeo ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra dia hihavao lalandava ianao.

Fanontaniana:

Inona no saka tsy hahatongavanao amin’ny fankatovana tsy misy Jepetra ny fampianaran’i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny m...

Zoma, 26 Jona 2026

Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo. Mitaona hisaotra sy hankasitraka ny Tompo noho…

Manana fahefana miavaka Andriamanitr...

Alakamisy, 25 Jona 2026

Manana fahefana miavaka Andriamanitra Ny Soratra Masina eto dia mitantara ny filazana ny fahatcrahan’i Jaona…

Fanehoana ny fankatoavana an’Andriam...

Alarobia, 24 Jona 2026

Fanehoana ny fankatoavana an’Andriamanitra Tantaraina eto ny zava-niseho tamin’ny fitokanana ny Tempoly. Raha nitarika ny…