Manana fahefana miavaka Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Jona 2026
Sal. 138,1-3/Hira. 24 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.F.48
Lioka 1,8 - 17
8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, 9 araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. 10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).Manana fahefana miavaka Andriamanitra
Ny Soratra Masina eto dia mitantara ny filazana ny fahatcrahan’i Jaona mpanao Batisa. Aseho miharihary fa manana fahefahana miavaka Andriamanitra ka:
1. Mihaino sady mamaly vavaky ny mpanompony
Azo antoka fa efa ela no nangatahin’i Zakaria sy Elizabeta mba hananany taranaka. (and.13), Nambaran’ny Anjely tamin’i Zakaria fa efa nohenoina ny fangatahiny ary novalian’ny Tompo ka hiteraka zazalahy. Zava-mahagaga tokoa amin’ny maha olombelona izany satria sady momba ny vehivavy no efa antitra izy roa. Mancho izany fa tena mihaino Andriamanitra sady mitondra valiny mahasoa. Ao amin’ny valim-bavaka atolony no anehoany fa manana fahefana tsy voefetran’ny lalàn’ny natiora Izy, satria Izy no namorona izao rehetra izao. Noho izany, aza miondrika ao amin’ny olona fa manana faharetana mangataka, ary ataovy amin’ny finoana dia ho hitanao ny hery sy ny voninahitr’ Andriamanitra.
2. Mikendry ny fiverenan’ny olona ao Aminy
Tena valim-bavaka tokoa ny fahaterahan’i Jaona mpanao Batisa saingy tsy kisendrasendra. Hany ka hatrany am-bohoka aza izy dia efa nofenoina ny Fanahy Masina noho ny iraka manokana nomen’ny Tompo azy. Manana fikasana tsara ho an’ny vahoakany hatrany Andriamanitra. Ny fisian’i Jaona sy asany eo amin’ny farany hitodika firenen’Isiraely dia hitarika ireto amin’ Andriamanitra (and.16). Ny Isiraely dia vahoaka maditra sy mihodina amin’ny Tompo mandrakariva noho ny fahotany. Jaona no voafidin’Andriamanitra Ray hialoha lalana an’i Jesoa ka hampiverina indray ny fifandraisana amin’ny Ray, ary tsy ny Isiraely ihany fa ny olombelona rehetra.
Fanontaniana
Ny valim-bavaka azo, miterika inona eo amin’ny fiainanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady