Mendri-pisaorana Jehovah
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Jona 2026
Salamo 134 / Hira 3: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF9
Salamo 72,18 - 19
18 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; 19 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.Mendri-pisaorana Jehovah
Fanontaniana telo no valian’ny anjara mofonainantsika:
1. Inona no mendrika an’i Jehovah ?
Fisaorana fa hoy ny and 18 hoe: «Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely », ary mbola mitamberina eo amin’ny and 19 hoe: « Isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza ». Misongadina amin’izany fa tena mendrika isaorana Jehovah. Ny hevitry ny teny hoe isaorana dia hoe: omem-boninahitra na ihany koa hoe mendrika iankohofana sy andohalehana mihitsy. Ary moa va tsy mendrika izany ny Andriamanitsika?
2. Nahoana no mendrika isaorana Izy?
Satria « Izy irery ihany no manao fahagagana » (and 18). Io teny hoe fahagagana io dia tsy milaza mahafinaritra sy mahasondriana fa manambara zavatra tsy mbola hita ary tsy misy mahay manao mihitsy hatramin’izay naha tany ny tany. Raha mamaky ny Soratra Masina isika, tsy ny eto amin’ity Salamo ity ihany fa moa tsy efa nampisaraka ny ranomasina mena hiampitan’ny olony Izy, moa tsy efa nandatsaka ny mana hohanin’ny olony Izy, ary moa tsy efa noreseny na dia ny fahafatesana aza hamonjena ny olony tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ?
3. Hatraiza ny voninahiny?
« Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny…». Ny hevitr’izany voalohany dia ny hoe tsy hita fetra ny voninahitr’i Jehovah, fa faharoa koa dia hoe manana anjara ny olona haneho izany voninahitr’i Jehovah izany ka hahatonga izany hahenika ny tany rehetra. Tsy amin’ny zava-dazaina ihany fa amin’ny atao sy amin’ny fanehoana amin’ny fiainana andavanandro sy amin’izay atao rehetra ny voninahitr’Andriamanitra ka tsy hitenenan-dratsy ny anarany. Ny olom-boavonjy ihany no mahay izany.
Fanontaniana:
Nahoana no mendri-pisaorana Jehovah?
Foibe Sampana Sekoly Alahady