Ny famonjen’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Jona 2026

Sal 140.1-4 / HF 24:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 24: 2, 3

Salamo 22,22 - 31
22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao. 23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra. 24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. 25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah. 26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. 27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa. 28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy. 29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy] 30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy. 31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.

Ny famonjen’Andriamanitra

« Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho, eo amin’ny Fiangonana no hiderako anao » (and 22)

Fanontaniana telo no valian’ity anjara mofonainantsika ity:

1. Nahoana no milaza izao ny mpanao Salamo?

Milaza io teny io ny mpanao Salamo noho ny fahazoany antoka ny famonjen’ Andriamanitra azy. Salamo fitalahoana ny Sal. 22 manomboka amin’ny fitarainana izy (and 1), dia mitohy amin’ny fangataham-pamonjena (and 20) ary mifarana amin’ny fanehoam-patokiana sy fiderana sahady (and 22-31). Ianao koa matokia, miantoraha amin’ny Tompo fa hody fanantenana ny fahoriana. Raha ny Tompo no miditra an-tsehatra azo antoka ny famonjena. I Jesoa koa dia nandray io Sal 22 io niantorahana tamin’Andriamanitra !

2. Inona no ataon’ny mpanao Salamo?

«Hitory… » ny anaran’i Jehovah! Ny hevitr’io matoanteny io dia hoe « hanisa sy hitanisa » izany hoe ny mpanao Salamo dia mahatsiaro ho voavonjy ka vonona hitanisa sy hijoro ho vavolombelon’ny herin’i Jehovah amin’ny ankohonany (rahalahiko). Mitaona antsika tsy ho mpamihina fotsiny na ho mpisitraka fotsiny ny famonjena izany fa ho mpizara sy ho mpitaona ny hafa indrindra koa!

3. Aiza no anaovany izany ?

«Eo amin’ny fiangonana...» hoy ny mpanao Salamo! Araka izany, ny olom-boavonjy dia manomboka ny fijoroany ho vavolombelon’ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra mamonjy Azy; ao amin’ny ankohonany aloha (rahalahiko), eo amin’ny mpiray firenena aminy (Fiangonana) ary ny olon-drehetra tsy an-kanavaka (izay matahotra an’i Jehovah). Moa va tsy tahaka izany indrindra no nanafaran’i Jesoa ny mpianany? (Asa l. 8). Atombohy ao an-trano!

Fanontaniana:

Ary ianao mba ahoana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mankalazà an’i Jehovah

Asabotsy, 6 Jona 2026

Mankalazà an’i Jehovah Ny dikan’ny anarana hoe Hagay, dia hoe ilay avy amin’ny fety na…

Jesoa mamangy

Zoma, 5 Jona 2026

JESOA MAMANGY Ity tantara anjara mofonainatsika ity dia mampianatra antsika fa raha vao i Jesoa…

Jesoa

Alakamisy, 4 Jona 2026

JESOA «Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy…