Mankalazà an’i Jehovah

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Jona 2026

Sal 144.1-4 / FF 24: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / FF 24: 2,3

Hagay 2,20 - 23
20 Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe: 21 Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany 22 dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 23 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Mankalazà an’i Jehovah

Ny dikan’ny anarana hoe Hagay, dia hoe ilay avy amin’ny fety na ihany koa hoe ilay mankalaza an’i Jehovah. Mpaminany  taorian’ny fahababoana izy, nitaona ny vahoakan’Andriamanitra hanarina indray ny Tempoly. Tsy mandeha ho azy io anarana io satria, tamin’ny fotoam-panorenana dia niatrika olana sy fahasahiranana ny olona, ary ny sasany kosa dia nanadinodino ny tempoly fa samy nanao ny tranony, kanefa dia vita soamantsara ihany. Ampianarin’ny mofonaina anio àry fa Andriamanitra dia:

1. Mampahery ny mpanompony (and 20, 21)

Ny fanirahan’i Jehovah an’i Hagay manao hoe: «Lazao amin’i Zerobabela… » dia manambara fa na dia tao anaty fahasarotana aza ny fitarihana ny olona ho amin’ny fanorenana dia tsy mamela ny mpanompony akory Andriamanitra fa manamafy ny fombany mba hananan’i Zerobabela antoka fa miditra an-tsehatra ny Tompo ka hotanteraka ny asa tanterahina.

2. Miady ho an’ny mpanompony (and 22)

«Hahohoko ny seza fiandrianan’ny fanjakana… » hoy ny hafatra ho an’i Zerobabela, ny dikan’izany dia izao, ny firenena mampahory dia tsy avelan’Andriamanitra ho tompon’ny teny farany, fa Izy Tompo no hiditra an-tsehatra hiady ho an’ny olony (Eks 14. 14). Tsy eto ihany no hiadian’ Andriamanitra ny adin’ny olony fa hatrany amin’ny Testamenta vaovao aza.

3. Manamarina ny mpanompony (and 23)

« Amin’izany andro izany…fa efa nifidy anao aho… ». Ity andininy ity kosa dia anehoan’ny Tompo fa rehefa nifidy sy naniraka mpanompo hanao ny asany Izy, dia manamarina ny Teniny (Mar 16, 20) ka raha mbola mitoky Aminy ny irany dia tsy avelany ho menatra.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatsapanao ny fomban’ Andriamanitra anao ?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Jesoa mamangy

Zoma, 5 Jona 2026

JESOA MAMANGY Ity tantara anjara mofonainatsika ity dia mampianatra antsika fa raha vao i Jesoa…

Jesoa

Alakamisy, 4 Jona 2026

JESOA «Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy…

Jehovah Andriamanitra

Alarobia, 3 Jona 2026

<< Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, iza no mahery tahaka anao, Jehovah ?» (and 8)…