Ny batisan’i Jesoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Mey 2026
Sal 111.1-6 / Hira167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 187
Lioka 3,21 - 22
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; 22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.Ny batisan’i Jesoa
1- Manokatra ny fifandraisana feno amin’Andriamanitra
Manambara i Lioka fa rehefa natao batisa sy nivavaka i Jesoa dia nisokatra ny lanitra. Izany dia endriky ny fisokafan’ny fifandraisana feno amin’Andriamanitra amin’ny fahazoana mandova ny fanjakan’ny lanitra. I Jesoa no nanokatra ny lanitra ho an’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny batisa. Araka izany, ny batisa dia dingana tsy maintsy lalovan’izay rehetra te hanana fifandraisana feno amin’Andriamanitra sy handova ny fiainana mandrakizay. lo ilay ambaran’ny Soratra Masina hoe: « Izay mino sy atao batisa no ho vonjena ». Jesoa dia nandalo tamin’izany batisa izany. Tsy ampy ny filazana fotsiny hoe: mino aho.
2-Fanehoana ny fiombonan’ ny Trinite Masina
Rehefa nisokatra ny lanitra dia nidina ny Fanahy Masina ary nitoetra teo amin’i Jesoa tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe « lanao no Zanako malalako, Ianao no sitrako ». Io koa dia fanamafisana ampahibemaso ny maha zanak’Andriamanitra an’i Jesoa. Andriamanitra Ray io miteny io. Tanteraka teto izany ny fanehoana ny fiaraha-miasa feno eo amin’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina; izay tsy afa-misaraka amin’ny maha Andriamanitra Telo Izay Iray Azy. Izany no mahatonga antsika hanao ny fanokanana na fitokanana na ny fızarana ny Sakramenta ho amin’ny anaran’Andriamanitra Ray, sy Zanaka, ary Fanahy Masina. Zava-dehibe ny finoantsika izany Andriamanitra Telo kanefa Tokana izany.
Fanontaniana:
Mino tokoa ve ianao fa ny batisa dia dingana iray handovanao ny lanitra satria manokatra ny fifandraisanao sy i Jesoa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady