Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Mey 2026

Sal 107.1-6 / Hira 14 /Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488

Filipiana 1,27 - 30
27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, 28 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra. 29 Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, 30 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.

Ny Kristiana mijoro vavolombeloan’i Kristy

1- Manana fitondrantena mendrika

Manoloana ny fanenjehana tamin’izany fotoana dia mampirisika ny Kristiana i Paoly mba hijoro vavolombelona ka hisina amin’ny fitondrantena mendrika ny Filazantsaran’i Kristy. Zava-dehibe amin’izany ny firaisam-po sy faharetana amin’ny Fanahy iray hiara-miezaka amin’ny fampandrosoana ny finoana ny Filazantsara. Ny fitoriana tsara indrindra hizarana sy hampaherezana ny finoan’ny hafa dia ny fitondrantena mendrika ny Filazantsara iainatsika Kristiana efa miorina. Ary izany rahateo no miaro antsika tsy hiverin-dalana, ho mariky ny fandrosoana.

2- Tsy matahotra ny fahavalo

Fomba entin’ny mpanenjika ny mpino sy ny fivavahana Kristiana tamin’izany ny fandrahonana sy ny fampitahorana mba hahatonga ny olona hihemotra, ka hiala amin’ny finoana sy fanarahan-dia an’i Kristy. Ny Kristiana vonona sy sahy mijoro vavolombelon’i Krtsy dia tsy matahotra ny endri-pandrahonan’ny fahavalo rehetra, satria matanjaka sy mahery ny finoany, ary manana mpiaro sy mpamonjy izy, dia i Jesoa Kristy.

3-Manaiky izay làlana itondran’ Andriamanitra azy:

Mampahery ny kristiana i Paoly. Ambaran fa tsy ny soa ihany no raisiny avy amin’ny Tompo fa eo koa ny fahoriana. Tsy voatery ho sazy avy amin’Andriamanitra ny fahoriana fa anjara sy voninahitra co amin’ny fandresena ny fizana-toera mahamay, toy izay nahazo an’i Joba. Aza kivy raha mandalo fahoriana, matokia an’Andriamanitra. Fa Andriamanitra tsy mandao anao Izy.

Fanontaniana:

Manaiky ny fitondran’ Andriamanitra tokoa ve ianao ka manana Janantenana, na dia mandalo zava-tsarotra aza?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy

Alatsinainy, 25 Mey 2026

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy 1- Omeny fiadanana: Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mbola…

Saro-piaro amin’ny anarany Andriaman...

Alahady, 24 Mey 2026

Saro-piaro amin’ny anarany Andriamanitra 1- Mamindra fo amin’ny vahoakany Rehefa nihodina ny zanak’ Israely dia…

Ny tena kristiana marina tokoa

Asabotsy, 23 Mey 2026

Ny tena kristiana marina tokoa: 1-Miaina araka ny Fanahy Masina Ahariharin’i Paoly fa ny fahazoam-pamonjena…