Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Mey 2026

Sal 25.1-5 / Hira 549.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 427

Lioka 12,8 - 12
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra; 9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] 11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; 12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina

1-Tsy tokony hatahotra olona ny mino

Arakaraka ny fanekeny na fandavan’ny mpino an’i Jesoa eo imason’ny izao tontolo izao no mamaritra ny ho anjarany amin’ny andro farany. Amin’ny andro fitsarana dia hanaiky izay rehetra manaiky Azy co imason’ny olona amin’izao tontolo izao Izy, eo anatrehan’ny Ray, araka izay nambarany hoe: « Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia heken’ny Zanak’olona kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra » (and.8). Fa amin’ny olona izay mandà Azy, ka tsy sahy mijoro vavolombelony eto amin’izao tontolo izao kosa dia hihatra aminy izay nolazain’i Jesoa hoe: « Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’ Andriamanitra »(and.9). Noho izany dia aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika!

2- Tsy tokony hanana fanahiana ny mpino

Ny loholona tao amin’ny Synagoga tamin’ny andron’i Jesoa dia nanana fahefana hitsara ny olona izay noheverina ho nanao fahadisoana tamin’ny fivavahana, azon’izy ireo natao ny manala olona amin’ny andraikiny raha hitany fa nanao fahadisoana. Azony natao ny nikapoka tamin’ny karavasy ireo izay heveriny ho nandika lalåna (Jereo Mat 10.17). Mampiomana ny mpianany ny amin’izany i Jesoa, sady manome toky azy ireo mba tsy hanana fanahiana ny amin’izay teny halahatra, na amin’ny fomba enti-mamaly ny fiampangana rehetra co anatrehan’ny fitsaran’olombelona, ka hoy Izy: « …Fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo. » (and.12).

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona ho menatra hijoro vavolombelona?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehov...

Talata, 5 Mey 2026

Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehovah. 1- Manazava ny hevitry ny lalana Izy Hamarinin’ny Soratra Masina…

Olona afaka ny mpino

Alatsinainy, 4 Mey 2026

Olona afaka ny mpino! « Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy » 1- Afaka…

Aza miala amin’Andriamanitra!

Alahady, 3 Mey 2026

Aza miala amin’Andriamanitra! Ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio fa miankina amin’ny fifandraisantsika Aminy ny hoavintsika:…