Manankarena amin’ny famindram-po ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Aprily 2026
Sal 95 / Hira 537 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 615
Efesiana 2,1 - 10
1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, 7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.Manankarena amin’ny famindram-po ny Tompo
« Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben ‘ny fitiavany izay nitiavany antsika » (and 4).
1-Mamelona antsika
« Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo » (and 1). Fantantsika fa fahafatesana no tambin’ny ota. Lavitra ny Tompo isika taloha, variana tamin’ny fanaon’izao tontolo izao. Variana tamin’ny danin’ny nofo sy danin’ny saina. Tsy nitazana fotsiny ny Tompo fa nandray andraikitra. Niantso, namelona. Ny Tompo no fototry ny fandresena sy ny fahombiazantsika. Tsy mamela antsika ho very Izy.
2-Mamonjy antsika amin’ny fahasoavany
« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra » (and8). Ny fahasoavana dia fanomezana maimaim-poana, fihetsika tsara tsy mitaky valiny. Manome famonjena maimaim-poana ho an’ny olona izay tsy tokony mendrika izany akory ny Tompo, noho ny fitiavany sy ny famindrampony. Mitondra fanavotana ho antsika izany. Tsy avy amin’ny asantsika izany, tsy noho ny herintsika na finiavantsika.
3-Mamorona antsika mba hanao asa tsara
« Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy mba hanao asa tsara » (and 10a): Ny asa ataontsika dia fanomezam-boninahitra ny Tompo. Maneho ny fiasan’Andriamanitra anatintsika. ao Andehanantsika miaraka aminy.
Fanontaniana
Inona avy ireo zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady