Izao tontolo izao

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Aprily 2026

Sal 128 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka/ Hira 487, 1-2-3

1 Jaona 5,4 - 5
4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?

Izao tontolo izao

Milaza inona ny hoe: « izao tontolo izao »?

Misy hevitra maro samihafa ilazana izany:

-Milaza ny zavatra tsara noforonin’Andriamanitra (Gen 1. 31; Jao 1. 10)

-Milaza ny olombelona rehetra (Jao 3.16)

-Milaza ny sehatra iainan’ny olona rehetra ankapobeny (Jao 16.20)

-Mpanohitra an’Andriamanitra sy ny Azy mandrakariva (Jao 15. 17-19; 16.33; 17. 16)

-Milaza zavatra ratsy hatrany io izao tontolo izao io; noho izany dia tian’ny Tompo resen’ny mpanara-dia Azy. Koa ambara amin’ny mpanara-dia ny Tompo àry fa:

Ny mandresy izao tontolo izao dia izay naterak’Andriamanitra.

Tsy ny herin’olona amin’ny maha olona azy mihitsy no hahafahany mandresy izany fa tsy maintsy ao amin’ Andriamanitra Ilay manana ny fahefana rehetra no handresena izany. Ilay hoe ao amin’Andriamanitra indray dia ambara eto hoe aterak’ Andriamanitra izany hoe mandray Azy, mino Azy, mivavaka Aminy. Amin’ny teny hafa dia olona miova fo izany ka niaiky ny faharatsiany sy mibebaka amin’izany ary manaiky mandray sy havaozin’ Andriamanitra indray.

Fanontaniana:

Inona ilay « izao tontolo izao » asaina resen’ny mpino? Ahoana no atao mba handresena azy io?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny ...

Asabotsy, 11 Aprily 2026

Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny Tompo Izay rehetra miverina amin’ny Tompo dia hovonjena « Mijery ny…

Tompon’ny aina Andriamanitra

Zoma, 10 Aprily 2026

Tompon’ny aina Andriamanitra Ny fanomezan-danja ny ain’olombelona Ambaran’ny Lalàn’i Mosesy eto fa rehefa manome tany…

Aoka isika hisaotra mandrakariva ny ...

Alakamisy, 9 Aprily 2026

Aoka isika hisaotra mandrakariva ny TOMPO Raiso ny fanomezan’ Andriamanitra: Nanome ny mpino fandresena Andriamanitra…