Tompon’ny aina Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Aprily 2026

Sal 9,1-6 / Hira 233 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 638

Deoteronomia 19,1 - 3
1 [Ny amin'ny tanàna handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony, 2 dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana. 3 Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.

Tompon’ny aina Andriamanitra

Ny fanomezan-danja ny ain’olombelona

Ambaran’ny Lalàn’i Mosesy eto fa rehefa manome tany sy trano onenan’ny olona Andriamanitra dia tsy atao ambanin-javatra ny manokana toerana na faritra ho an’ny olona izay nahafaty ny hafa tsy nahy. Marihina fa tsy izay nahafaty na namono olona rehetra no arovana amin’izany satria misy tokoa ny sazy ho an’izay mahavita heloka, fa izay nahafaty ny namany tsy nahy ihany no arovana amin’izany. Ny zava-dehibe amin’izany dia ny fitarihana ny rehetra mba hanome lanja ny ain’olombelona. Raha ny marina mantsy dia an’ Andriamanitra ny aina ka Izy ihany no manana fahefana hamono na hamelona olona araka ny fandaminany. Zava-doza ho an’ny olona ny mandatsaka rà marina araka ny Lalàna ihany, ka izany no nanaovana izao fandaminana izao.

Inona no zava-misy momba ny ain’olona ankehitriny?

Azo atao hoe tsy zava-dehibe intsony ny ain’olombelona amin’ny fiaraha-monina ankehitriny fa toa mifandripaka ny samy olombelona, ary tsy mifampiraharaha mihitsy. Azo lazaina mihitsy aza hoe tena havanana amin’ny fifamonoana ny olona noho ny fisian’ny famoronana ireo fitaovam-pidiana mahery vaika samihafa. Ity tenin’ny Soratra Masina ho antsika ity àry dia mitarika ny olona indray mba hanome lanja ny aina satria nasian’ Andriamanitra lanjany izany ka tokony hoheverin’ny olona koa ny lanjan’izany.

Fanontaniana:

Misy lanjany eo anatrehan’ Andriamanitra ve ny aina?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Aoka isika hisaotra mandrakariva ny ...

Alakamisy, 9 Aprily 2026

Aoka isika hisaotra mandrakariva ny TOMPO Raiso ny fanomezan’ Andriamanitra: Nanome ny mpino fandresena Andriamanitra…

Famonjena sy ampingantsika Andriaman...

Alarobia, 8 Aprily 2026

Alarobia 08 Aprily 2026 Sal 145,1-7 / Hira 16,1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka…

Efa resy ny fahafatesana

Talata, 7 Aprily 2026

Efa resy ny fahafatesana Inona avy ny zavatra ambaran’ny Sotatra Masina eto izay mahakasika an’Andriamanitra?…