Tsara Mpiantoka ary tsy irery ny mino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Aprily 2026
Sal 34.1-10 / Hira 36, 1-2-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira313.1.3
Deoteronomia 9,1 - 6
1 [Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra, 2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka? 3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao. 4 Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao. 5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao. 6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.Tsara mpiantoka ary tsy irery ny mino
Mahasoa ny olona ny manana an’Andriamanitra
Rehefa avy tany Egypta ny Zanak’i Israely dia nisedra zavatra maro samihafa vao nomen’ Andrimanitra ny tany Kanana. Araka izany, Andriamanitra mihitsy no nanao izay hananan’ny olona izany tany izany. Tsara ho fantatra mantsy fa tsy azoazo fotsiny akory ny tany satria efa nisy olona nonina tao, ary ireo olona ireo dia niavaka mihitsy satria lehibe sady ranjanana ka mampahatahotra mihitsy, araka ny teny eto hoe: iza no hahajanona eo anatrehan’ny Anakita. Izany indrindra no nidiran’Andriamanitra an-tsehatra mba hampisehoana ny zanak’ Israely fa Andriamanitra mihitsy no miady ho azy. Andriamanitra no manomana fiainanana ho azy ka nanome ny tany honenany. Noho izany, aseho eto fa raha miaraka amin’Andriamanitra, raha manana an’Andriamanitra dia hizotra tsara ny fiainana, ho resy avokoa izay olana.
Mahaiza manetry tena, matahora an’Andriamanitra
Rehefa misy fahombiazana azon’ny olona eo amin’ny fiainana, eto izao dia nahazo ny tany ny Zanak’i Israely, dia mihevitra izy hoe noho ny fahatsarany na noho ny fahamarinany no nanomezana sy nahazoany izany. Mitaona ny olona anefa Andriamanitra mba hanetry tena satria ireto Zanak’i Israely ireto dia « mafy hatoka » izany hoe tsy marina eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy, tsy miraharaha an’Andriamanitra izany velively ny olona fa ny finiavan’Andriamanitra irery ihany no nampisy izany fahombiazan’ny olona izany.
Fanontaniana:
Iza no mampahomby ny olona?
Foibe Sampana Sekoly Alahady