Ny asan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Febroary 2026
Sal 66,1-4 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295
Joba 40,15 - 24
15 He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao] 16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany. 17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny 18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. 19 Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan'] 20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra; 21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. 22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy 23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza. 24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?Ny asan’Andriamanitra
Izao Soratra Masina izao dia tohin’ny teny nataon’Andriamanitra an’i Joba, maneho miharihary ny asan’ Andriamanitra:
1. Mamorona
Mampahatsiahy Andriamanitra fa Izy no namorona an’i Joba, tahaka ny namoronany ny Behemota na ny Hipopotamosy. Noho izany dia tsy afaka hanome tsiny na sanatria hananatra an’Andriamanitra izy na dia mandalo fahoriana aza. Manana fahefana feno amin’izay noforonina ny Mpamorona. Ny manaiky ny fandaharana sy fandaminana no anjaran’ny nohariana ary miaiky amin’ny fahadisoana natao. Tsarovy fa Andriamanitra Tsitoha Izy ka afaka manao izay tiany amin’ny asany.
2. Mamelona
Ny fahaveloman’ity biby voalaza eto ity dia tsy miankina amin’ny asany fa misitraka fotsiny izy. Miaina anaty rano izy kanefa tsy mahay mamorona ary tsy namorona rano. Ny toerana onenany dia misy karazan-kazo tsy nisasarany na nokarakarainy. Mihinana ahitra izy kanefa tsy namboly izany. Ny fahaveloman’ny manan’aina noforon’ Andriamanitra dia asany madiodio, tsy takatry ny saina. Ny rivotra ivelomana isan’andro dia fanomezana avy Aminy ka tokony hisaorana Azy.
3. Miaro
Voalaza amin’izao Soratra Masina izao fa manana hery sy tanjaka ity biby iray ity. Kanefa mbola omena sabatra ihany izy. Ary mitoetra amin’ny toerana azo antoka, tsara fiarovana izy noho ireo hazo manalokaloka sy manodidina azy. Maneho izany fa Andriamanitra Mpamorona irery ihany no manana ny hery lehibe mihoatra noho izay ananana mba ahafahana miaro amin’izay mety ho fahavalo. Matokia ny fiarovan’ny Tompo.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy hitan’ny Kristiana ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana rehefa mandalo fahoriana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe