Mampianatra antsika ny Soratra Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Febroary 2026

Sal 136.1-4 / Hira 317: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 317:2

Jaona 9,1 - 7
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. 2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? 3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. 5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. 7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.

Mampianatra antsika ny Soratra Masina

Mampianatra antsika zavatra telo loha ity tantaran’ny  nampahiratan’i Jesoa lehilahy teraka jamba ity:

1. Aza maika hitsara ny hafa (and 1)

«Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va sa ny ray aman-dreniny no dia teraka jamba izy?» hoy ny mpianany nanontany an’i Jesoa. Sady tsy izy no tsy ny ray aman-dreniny hoy i Jesoa fa «anehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy ». Voahitsy ny fomba fijerin’ny mpianatra! Ary isika koa ange e! Mazana dia maika ery hitora-bato ny hafa raha vao misy zava-mitranga aminy! Tsy fantatsika akory anefa izay ao ambadika, koa miová manomboka izao!

2. Ny asan’Andriamanitra imasoana (and 4)

«Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy raha mbola antoandro…». Mahagaga ihany ny tohin-dresak’i Jesoa, fa toa te hiteny hoe aza ny hitsara no maha maika fa ny asan’Andriamanitra ilofosana sy atao laharam-pahamehana! Tahaka izao lazain’i Jesoa izao! Andeha re izay tena zava-dehibe no atao e! Tsy ny hamantatra izay tompon’antoka amin’ny fahavoazanan’ny hafa no mahamaika fa ny hanafaka ny mila vonjy sy hahazoany fahazavana!

3. Mankatoava dia ho sitrana (and 7a)

Rehefa nosoran’i Jesoa feta ny mason’lay lehilahy jamba dia nomeny toromarika tena mazava izy: «Andeha sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama, dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra ». Dia lasa ilay lehilahy jamba, ary mahavariana fa tsy mba nasiany fanontaniana akory hoe fa maninona no asiana feta, na nahoana no any Siloama fa tsy farihy na rano hafa no aleha, fa dia nandeha izy! Ary vokatr’izany finoana ny Tenin’i Jesoa sy fankatoavana Azy izany, dia nahiratra izy! Ianao koa mianara mankatoa tsy misy adihevitra ny Tenin’i Jesoa dia hahita ny voninahiny!

Fanontaniana:

Nahoana anefa tsy mahay mankato an’i Jesoa ny olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ireo zava-dehibe iainana ahafahana m...

Zoma, 6 Febroary 2026

Ireo zava-dehibe iainana ahafahana mijoro ho vavolombelona Epistily pastoraly no iantsoana ireo voasoratra ho an’i…

Izay tokony ataon’ny mpino

Alakamisy, 5 Febroary 2026

Izay tokony ataon’ny mpino Anankiray amin’ireo horonam-boky dimy famakin’ny Jiosy amin’ny fetim-piangonana Lehibe ny bokin’ny…

Mitari-dalana ny Soratra Masina

Alarobia, 4 Febroary 2026

Mitari-dalana ny Soratra Masina Ny mofonainantsika anio dia manampy antsika hahatakatra fa ny fitoriana ny…