Ny Toetra takiana amintsika Kristiana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Febroary 2026

Sal 107.1-3 / Hira 207:1 /  Mofonaina / Vavaka / Hira 171: 3

Kolosiana 2,8 - 15
8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. 9 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; 10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, 11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy; 12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty. 13 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; 14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, 15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [* Na: noreseny ka nobaboiny]

Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i Paoly no nanoratra azy. 1 Epafra no nampita tamin’i Paoly fa manambana ny Fiangonana tany Kolosia ny fampianaran-diso te hampifandray ny filazantsara amin’ny Filozofia, amin’ny fivavahana amin’ny anjely, ny amin’ny fampahorian-tena. Ary izany no mahatonga an’i Paoly manoratra azy ireo mba hitandrina:

1. Tsy ho voafitaky ny fampianarana sadasada (and 8)

«Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana…fa tsy araka an’i Kristy». Taomina ny Kristiana hihazona ny fampianarana araka an’i Kristy izay efa notoriana sy nampianarina azy, tsy hiroaroa saina na hirona amin’ny fampianarana mamitaka! Tano mafy izay anananao hoy i Jesoa mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3.11)

2. Hitoetra ao amin’i Kristy (and 11)

«Ary tao aminy koa no namorana anareo…». Miverimberina eto ny hoe «ao aminy»! Midika izany ao amin’i Kristy irery ihany no itoeran’ny mino, ary Kristy irery ihany koa no ivon’ny fiainany sy tompom-pahefana tokana eo amin’ny fiainany koa na iza na inona hisarika azy hanalavitra an’i Kristy dia laviny marin-drano!

Mandehana ianao dia manaova toy izany koa!

3. Tsy hanadino fa efa olom-baovao (and 12)

«…fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa». Misongadina eto efa rehefa natao batisa ny mino dia manana fiainana vaovao ao amin’i Kristy izy (2 Kor 5. 17), koa tsy handrarak’ilo mby an-doha ka hiverina amin’ny fiainana lasa indray fa hizotra tsara amin’ny lalam-pamonjena! Tandremo ny 2 Pet 2. 221

Fanontaniana:

Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra miantso, mampahafantat...

Alahady, 1 Febroary 2026

  Ny mofonainantsika anio dia mitarika antsika hahatakatra fa Andriamanitra dia: 1. Miantso izay olona…

Ny fahefan’Andriamanitra

Asabotsy, 31 Janoary 2026

Ny fahefan’Andriamanitra 1- Nampiaiky an’i Joba Teo anatrehan’ny resaka izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Joba tamin’ny fahoriana…

Andriamanitra manavao ny zavatra reh...

Zoma, 30 Janoary 2026

Andriamanitra manavao ny zavatra rehetra 1-Manao lanitra vaovao sy tany vaovao Anatin’ny fahoriana tokoa ny…