Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Janoary 2026
Sal 107.1-3 / Hira 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 24
Efesiana 1,7 - 14
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
1- Nanao fanavotana ho antsika Izy
« Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany » (and.7). Kristy no nandoa ny vidiny nilaina mba hanafahana antsika tamin’ny fanandevozana (and.7). Ny rà nalatsany teo amin’ny Hazofijaliana no nahafaka antsika tamin’ny fatoran’i Satana sy ny fanandevozan’ny ota. Tsy manana trosa amin’Andriamanitra intsony isika satria efa voaloa tamin’ny alalan’ny ràn’i Kristy izany. Manambara izany fa tena sarobidy eo anatrehany isika ka nahafoizany ny ain’ny Zanany. Tsy avy amin’ny fahatsarana na ny fahamarinantsika izany, fa fanapahan-kevitr’Andriamanitra sy safidiny samirery noho ny fitiavany antsika. Ny anjarantsika dia ny mandray amin’ny finoana. Izany zava-miafina momba ny famonjena izany (and.9) no ambaran’i Paoly hoe: « haren’ny fahasoavany » (and. 7) izay nampahafantariny antsika (and.9)
2- Nataony ho isan’ny mpandova Azy isika (and.11,12)
Mitodika amin’ireo Jiosy izay niova fo sy ny Jentilisa izay efa nandray an’i Kristy ny hafatra eto: ambaran’i Paoly mazava tsara fa izay rehetra nandre ny tenin’ny fahamarinana momba ny Filazantsara ka nino ny famonjen’i Kristy dia efa tafaray amin’i Kristy, ary vita tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina. Ny tombo-kase dia entina manamafy fa marina sy azo antoka ny fanambarana izay natao. Miha mazava kokoa izany amin’ny filazana hoe: « Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa… » (Rom 6.16-17) fa
Fanontaniana:
Inona no famantarana fa mitarika antsika ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe