Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Janoary 2026

Sal 139.14-18 / HF 13 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 29

Romana 11,25 - 36
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; 27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9). 28 Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana. 29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. 30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, 31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. 32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra. 33 Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra] 34 Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13) 35 Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? 36 Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

1- Mamindra fo amin’ny olona rehetra Izy (and.25-32)

Ny firenena Jiosy dia firenena nofidin’Andriamanitra. Nomena azy ny lalåna sy ny Soratra Masina mbamin’ny fombam-pivavahana. Tombony lehibe nananany izany raha miohatra amin’ny Jentilisa. Natoky tena loatra anefa izy ireo, sady niarahaba tena ho efa voavonjy. Nanafintohina azy ny fampianarana momba an’i Kristy ka nanamafy ny fony izy. Rehefa tsy raisin’ny Jiosy ny Filazantsara dia notorina tany amin’ny Jentilisa, ary ireo kosa dia nandray izany tam-pifaliana. Ny fandavan’ny Jiosy an’i Kristy no nampiely ny Filazantsara any amin’ny hafa firenena ka nahazoan’izy ireo famindrampo, ary nahatonga azy ireo ho isan’ny Fiangonana. Na izany aza anefa, tsy hafoin’Andriamanitra tanteraka izay efa nofidiny. Mamindra fo izy, ka Ilay Jesoa izay nolavin’ny Jiosy no hanafaka azy amin’ny fahamafisam-pony sy hanaisotra ny haratsiam-panahiny rehetra ary hamela ny helony (and.26-28).

2- Tsy hay fantarina ny fitondran’Andriamanitra (and.33-36)

Na dia mahatakatra hevitra lalina tokoa aza ny sain’olombelona dia tsy maintsy mietry eo anatrehan’ny fahendren’ Andriamanitra. Tsy misy olombelona afaka hanazava manontolo ny momba ny fitondrany izao tontolo izao. Manamafy izany ny mpaminany Isaia raha nilaza hoe: « Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah? Ary iza no mpanolo-tsaina Azy (Isa 40.13). Ny « haren’ny fahendreny sy ny fahalalany » no ahazoantsika famindrampo mandrakizay. Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny Kristiana ho tratry ny fihemorana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe