Ny namangian’i Jesoa tao Nazareta.
Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Janoary 2026
Sal 25.1-7 / Hira 549.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 427
Matio 13,53 - 58
53 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy. 54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? 55 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny? 56 Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany? 57 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany. 58 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.Ny namangian’i Jesoa tao Nazareta.
1- Nahatalanjona ny olona ny fampianarany (and.54)
Nanaitra ny olona ny fampianaran’i Jesoa tao amin’ny Synagoga tao an-tanana. Tsy ny vontoatin’ny fampianarana anefa no nahaliana ny maro, fa ny fototra nahazoany fahaizana mitoriteny sy ny fahefana nahafahany nanao asa mahery sy mahatalanjona. (and.54.b). Matetika no miseho ny toe-javatra toy izany amin’ny toriteny na fampianarana izay ataon’ny mpandaha-teny. Tsy ny vontoatin’ny fampianarana sy izay fomba hahafahana manatanteraka izany no mahamaika ny sasany fa ny hamantatra ny momba ilay mpitondra hafatra: ny momba fianankaviany, ny fianarana norantoviny… Hoy izy ireo: « Avy taiza re no nahazoan’ ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? Tsy Maria va no anaran’ny reniny?
2- Nanafintohina ny olona ny fampianarany. (and.57)
Aorian’ny fandrenesana ny toriteny sy ny fampianarana marina ny amin’ny famonjen’i Kristy dia toy izao ny zavatra mety hiseho: resy lahatra ny olona ka manapa-kevitra hibebaka sy hanaraka izay rehetra lazain’ny Tenin’ Andriamanitra nambara taminy; mangataka ny asan’ny Fanahy Masina izy mba hitari-dalana azy hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Mety misy koa ny ho tafintohina satria voatsíndrona tam-pony ka manamafy ny fony sy mankahala ilay mpitondra hafatra. Teto dia io tranga faharoa io no nihatra tamin’i Jesoa: nanevateva sy tsy hanaja Azy ny olona. Ny tsy finoana no anton’izany. Rehefa mihaino fanazavana ny Tenin’Andriamanitra isika dia tokony hihaino amin’ny finoana sy ny fanantenana fa tsy hanakiana ny momba ilay mpitoriteny.
Fanontaniana:
Inona no mba voarainao tamin’ny toriteny androany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe