Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Janoary 2026

Sal 33.1 -6 / Hira 24 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 207, 4

Jaona 1,1 - 5
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Ny fiandohan’ny Filazantsara araka an’i Jaona dia mampitodika antsika indray ny tantaran’ny fahariana (Gen 1.1):

1- Izy no nahariana ny zavatra rehetra (and.1-3)

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » Araka izany dia efa nisy talohan’ny fotoana nahariana ny zavatra rehetra ny « Teny », fony tsy mbola àry ny zavatra rehetra dia efa tao amin’ Andriamanitra hatrizay hatrizay no toerana nisy Azy. Jesoa Kristy io « Teny » lazaina io. Asongadina eto fa Izy dia Andriamanitra. Ny fahatongavany dia maneho ny fitsofohan’llay Mpahary amin’ny tantaran’ny tontolo izay nohariany. Izy no Ilay Andriamanitra tsy tratry ny saina, nefa tonga nofo. Ny Tenin’Andriamanitra no manambara amintsika an’i Kristy sy ihaonantsika Aminy. Ary ny fifandraisana amin’i Kristy no ahalalana ny Mpahary sy ny zava-boary manontolo.

2- Izy no nisiam-piainana sy fahazavana (and.4,5)

Tsy maneho ny « Teny » ho Andriamanitra Mpahary fotsiny ny Filazantsara, fa Izy koa no nirakitra ny aina. Izy no nisiam-piainana. Ny tantaran’ny fahariana dia milaza fa fofonaina mahavelona tao amin’ Andriamanitra no nahatonga ny olombelona ho manan’aina. Io « fofonaina » io no ananana fifandraisana velona amin’ny Mpahary sady mitondra fahazavana ka manazava ny lalan’izay rehetra manaiky sy mino Azy. Vao mainka manamafy izany ny filazana fa i Jesoa no tena Mazava, dia ny Mazava marina izay mahazava ny olona rehetra (and.9). Izay manaraka Azy tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana ny fahazavan’aina (Jao 8.12)

Fanontaniana:

Inona no endrika anahafantsika an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe