Ny amin’ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 30 Desambra 2025
Sal 15 / HF 23 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 39
2 Petera 3,11 - 16
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. 14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.Ny amin’ny fiavian’ny Tompo
1- Ho levona ny zavatra rehetra
Mampiomana ny Kristiana i Petera fa ho avy ny fotoana ka hoesoesoina sy horabirabian’ny olona izy ireo, noho ny fiandrasana ny teny fampanantenana momba ny fiavian’ny Tompo. Hahazo vahana koa ny fampianaran-diso samihafa, ary isan’izany ireo izay milaza fa mbola hitohy foana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao (and.3, 4). Ahitsin’i Paoly izany fiheverana izany, ka ambarany fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra » (and.10). Araka izany dia miseho ho andro fitsarana mahatahotra ny andro hiavian’ny Tompo fanindroany. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, día olona tokony hanao ahoana tokoa moa isika amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra? (and.11)
2- Aoka hiambina mandrakariva
Tsarovy fa ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany. Omen’Andriamanitra tombonandro ahavelomana isika satria mahari-po amintsika Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana isika rehetra. Ary izany indrindra no itenenan’i Petera amintsika hoe: « Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. (and. 14). Takiana araka izany ny hifikirantsika mafy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Izany ihany no antoka hananantsika fitondran-tena feno fahamasinana sy hahaizantsika mifandray amin’ny hafa.
Fanontaniana:
Inona no zavatra tsy foinao indrindra eto amin’izao fiainana izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe