Ny fanantenana an’Andriamanitra.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Desambra 2025

Sal 143.7-12 / Hira 177 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482/1,5

Asan'ny Apostoly 24,10 - 21
10 Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; 11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna; 13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny. 14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna] 15 ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka. 16 Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva. 17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko. 18 Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, 19 - tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy. 20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho, 21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.

Ny fanantenana an’Andriamanitra.

Nandaha-teny teo anatrehan’ny mpitsara noho irco fiampangana sy fanaratsiana azy i Paoly, ka ireto no misongadina amin’izany:

1- Fahatokiana Azy (and.10-14)

Tsy vitsy ny olona izay miatrika fitsarana no mibadabada sy tsy mahita izay teny tokoný hotenenina ho fiarovan-tena, na dia manana ny marina aza, ka tonga amin’ny fitenenana hoe: « marina mitavozavoza ». Ny fananan’i Paoly fahatokiana an’Andriamanitra dia nahatonga azy ho tony sy tsy hanan-tahotra. Hoy indrindra izy: « ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako » (and.10). Miorina amin’ny Soratra Masina izany fahatokiana an’Andriamanitra izany, araka izay nambarany hoe: « sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalana sy ny mpaminany » (and.14b). Ny finoana araka ny Soratra Masina irery ihany, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no hananana hery ahafahana miatrika zava-tsarotra toy izao.

2- Fanantenana ny fitsanganan’ny maty (and.15-21)

Anisan’izay tsy nitovizan-kevitra teo amin’ny Jiosy sy ny fampianaran’i Paoly ny amin’ny fitsanganan’ny maty. Ambaran’ny Soratra Masina fa hisy ny fitsanganan’ny maty, ka ny marina dia ho velona mandrakizay ao amin’ny tena izay nohavaozina, fa ny tsy marina kosa dia hitsangana mba hiatrika ny fitsarana sy ny fanamelohan’ Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy ireo lalana roa ireo ihany no hizoran’ny olombelona rehetra aorian’ny fahafatesana. Efa nampianatra sy nanambara momba izany rahateo I Jesoa (Jao5.28 29). Ny adihevitra momba izany no niampangan’ny Jiosy an’i Paoly: « Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio » (and 21)

Fanontaniana:

Inona no antenainao amin’ny fitsanganan’ny maty?

Sampana Sekoly Alahady Foibe