Ny herin’ny filazantsara ombam-bavaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Desambra 2025

Sal. 118. 1-5 / Hira 241 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 306

Kolosiana 1,3 - 8
3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo, 4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara, 6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina; 7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)] 8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
Ny herin’ny filazantsara ombam-bavaka
1-Mahatonga ny olona hananana finoana sy fitiavana
Misaotra an’Andriamanitra i Paoly fa mamaly vavaka Izy. Ary tsy foana ny fikelezany aina nitory ny Filazantsara sy nitondra am-bavaka ireo zanany am-panahy toy ny tao Kolosia, ka nahatonga azy ireo ho « tia ny olona masina ». Izany hoe lasa manam-pitiavana satria Andriamanitra dia Fitiavana. Tonga olona mpino ihany koa, ka porofoiny amin’ny fanehoam-pitiavana ny olona masina izany finoana izany. Ny asa tokoa mantsy no entina maneho ny finoana ananana. Ny finoana tsy misy asa rahateo dia foana. Ny olona andairan’ny vavaka sy ny Filazantsara dia manana finoana sy fitiavana. Andeha àry isika izay efa nandray ny Filazantsara mba hanao toy izany koa.
2-Mahatonga ny olona handray sy hahalala tsara ny fahasoavan’Andriamanitra
Tsy ny nitory ny filazantsara tamin’ny Kolosiana ihany no nataon’i Paoly ho zava-dehibe, fa ny nitondra am-bavaka azy ireo, mba hahatonga azy ireo hahalala tsara sy handray ny fahasovan’ Andriamanitra avy amin’ny finoana. Nandaitra tokoa izany vavak’i Paoly izany, ka tonga nanana fanantenana ny fahasoavana tehirizina ho azy ireo any an-danitra ny mpino, dia ny fanjakan’ny lanitra ho vantanina rahatrizay izany. Ny fahamarinan’ny Filazantsara izay notoriana tamin’izy ireo no nanome hery azy ireo hahalala izany zava-miafin’ny fanjakan’ny lanitra izany; izay hananany fanantenana. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia omeny maimaim-poana.
Fanontaniana:
Mino tokoa ve ianao fa mihaino vavaka Andriamanitra ka afaka hampitombo ny finoanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompo mahatoky an’Andriamanitr...

Alahady, 14 Desambra 2025

Ny mpanompo mahatoky an’Andriamanitra 1-Manana fanetren-tena Ny Salamo faha 131 dia milaza fiononam-po sy fiankinana…

Ny handraisan’ny olona rehetra ny fa...

Asabotsy, 13 Desambra 2025

Ny handraisan’ny olona rehetra ny famonjena 1-Ny fihavanana Nasehon’i Paoly miharihary amin’ireo Kristiana ao Korinto…

Ny olona miantso an’Andriamanitra ho...

Zoma, 12 Desambra 2025

Ny olona miantso an’Andriamanitra ho Rainy 1-Mitondra tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra Mitaona ireo Kristiana miantso…