MitondrĂ  fanomezana ho an’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Oktobra 2025

Sal.67. 3-7 / Hira 273.1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 267

Eksodosy 23,14 - 17
14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. 15 Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. 16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. 17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.

 

«… Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. » (And. 15)

Fanao teo amin’ny firenena tranainy, rehefa hiseho co anatrehan’ny zanakalahin’ny mpanjaka dia tsy maintsy mitondra fanatitra. Natao lalana izany tamin’ny fankalazana ny « andro firavoravoana hihinanana ny mofo tsy misy masirasira », ho fahatsiarovana ny fivoahana avy tany Egypta. Rehefa mahatsiaro ny fanafahana nataon’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesoa, dia mitondra fanatitra ho Azy. Ary ny fanatitra tsara indrindra amin’izany, dia ny fanoloran-tena hanompo noho ny fahatsapana fa efa nandray fanafahana.

«Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao…» (And. 16).

Ankalazaina ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny andron’ny Pentekosta. Ao anatin’izany no anaovana fanatitra mofo vita amin’ny varim-bazaha. Nitahy ny tany Andriamanitra ka nahavokatra. Izany no tsy maintsy anaovana fanatitra ho Azy. Araka izany koa, an’Andriamanitra ny tany ka rehefa mahazo vokatry ny fihariana ianao, manomeza ho an’Andriamanitra fa nitahy ny asanao Izy. Ary ny fitahiana lehibe indrindra, dia ny nitahiany antsika tamin’ny fitahiam-panahy rehetra tao amin’i Kristy ka nifidianany antsika ho zanany. Satria zanak’ Andriamanitra dia manompo an’Andriamanitra miaraka amin’i Kristy.

Inona avy ireo karazana fanatitra fanaonao ho an’ny Tompo?