Ny toetran’ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Oktobra 2025
Sal. 106. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18
1 Tesaloniana 5,12 - 22
12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavà na tsara. 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. 19 Aza mamono ny Fanahy. 20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. 22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.1Tesaloniana 5. 12-22
Ny toetran’ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo
1- Manaja ny mpitondra
« …ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavana tsara. » (And. 13)
Nahitana karazan’olona samihafa, avy amin’ny toerana samihafa, tao anatin’ny Fiangonana voalohany. Misy olana mitranga matetika naterak’izany. Mba hisian’ny filaminana, taomina ny mpino hanaja ny mpitondra izany tena manao ny asany satria fanomezam-pahasoavana izany. Araka izany, avy amin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ahafahana mitarika sy mitondra. Taomina hiasa tsara ireo mpitondra nomen’ Andriamanitra fahefana. Manoloana izany, adidin’ny vahoaka kosa ny manaja ny mpitondra.
2- Mihazona ny finoana
« …Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ην faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra; hazóny mafy izay tsara.» (And. 19-21).
Eo ampiandrasana ny fiavian’ny Tompo,. mila mamela ny afon’ny Fanahy Masina hirehitra mandrakariva, mankato ny Tenin’Andriamanitra, izay fanambarana sy fahazavana manazava ny Fiangonana, mahay mamantatra ny fahamariana araka ny filazantsara eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireo rehetra ireo mitambatra no ahafahan’ny olona mihazona tsara ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fahalalan’ny mpĂno kristiana ny marina, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, no mahatonga azy tsy ho diso fandray ny filazantsara ka mahatonga azy hiorina amin’ny finoana marina.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba iandrasanao ny fiavian’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe