Manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra – Iasan’ny Fanahin’Andriamanitra – Mijoroa amin’ny fahamarinana
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Oktobra 2025
Sal 33, 1-5 / Hira 36, 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462: 1
Nomery 24,1 - 14
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony 4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany. 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao! 10 Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao. 11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra. 12 Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe: 13 Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko? 14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
Nomery 24, 1-14
1-Manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra (and 1)
Balaka dia nikendry mandrakariva ny hanozonana ny Zanak’Israely. Nasainy hanao izany i Balama fa tsy nanaiky intsony. Tonga tao aminy ny Fanahin’Andriamanitra ka hitany fa mitahy sy miaro ny Zanak’israely Andriamanitra, Fantany fa tsy azo baikona amin’ny alalan’ireo fombafomba sy sikidy Andriamanitra, ka dia nanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra izy.
2-lasan’ny Fanahin’ Andriamanitra (and 2-9)
Rehefa nahita ny Israely nitoby araka ny fireneny avy i Balama, dia tonga taminy ny Fanahin’Andriamanitra, ka nilazany ny oha-teny eo amin’ny and.3-9. Nahita ny fahitana avy tamin’ny Tompo izy, dia nilaza ny fahalehibeazan’ny Israely sy ny heriny. Ny Fanahy no nitarika azy hanao izany, mba hanehoana ny tena sitrapon’Andriamanitra amin’i Balaka. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia iasan’ny Fanahiny ka mahita ny zava-mahagaga izay efa tian’ny Tompo haseho.
3-Mijoro amin’ny fahamarinana (and 12-14)
Vokatry ny faminaniana nataon’i Balama dia tezitra i Balaka. Nasainy nandositra ho any amin’ny fonenany i Balama. Hita anefa ny fahasahiana nananan’i Balama: nambarany fa tsy azo atao ny manohitra ny didin’i Jehovah, na dia homena volafotsy sy volamena aza. Nijoro tamin’ny fahamarinana i Balama, ary fianarana ho an’ny rehetra izany. Notohizany tamin’ny nilazany ny ataon’Israely amin’ny Moabita koa aza izany. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mijoro amin’ny fahamarinana, na iza na iza manoloana azy. Sahia mijoro amin’ny ny fahamarinana ao amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Ahoana ireo fomba hahafahanao maneho ny maha-mpanompo matahotra an’ Andriamanitra anao eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe