Ny mpanompon’i Kristy
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Oktobra 2025
Sal 99, 1-5 / Hira 6:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 3
Kolosiana 2,16 - 23
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. 18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] 19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. 20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
Kolosiana 2, 16-23
Ny mpanompon’i Kristy
1. Manohitra ny fampianaran-diso (and 18)
Teo amin’ireo Kolosiana dia maro ireo fampianaran-diso izay nangeja ny olona tsy nanana ny fahafahana. Tao ny fitaomana ny olona ho amin’ny fampijalin-tena, izay aseho amin’ny fandrarana tsy hihinana karazan-tsakafo, tao koa ny fisian’ireo fitsipika samihafa napetrak’ireo mpampianatra sandoka, toy ny momba ny Sabata… Nalaza tamin’izany koa ny fivavahana tamin’ny anjely, izay adikan’izy ireo ho fanetren-tena amin’ny maha-olombelona mpanota. Toherin’ny Apostoly Paoly ireny ka anariny mafy an’ireto Kolosiana ireto, araka ny and 8: « Aza mety hofitahina… » Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao koa dia miely ireo karazana fampianarana izay mifanohitra tanteraka amin’ny foto-pinoana kristiana. Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy ho voafitaka, hijoro ho mpanompon’i Kristy.
2- Manorina ny finoany ao amin’i Kristy (and 19)
Tokony hanorina ny finoany ao amin’i Kristy ny mpino. Ireo mpampianatra sandoka izay manely ny tsy fahamarinana ireo mantsy dia ambaran’i Paoly fa « tsy mihazona ny Loha ». Ny « Loha » dia entina ilazana fitarihana sy fitondrana. Ny olombelona, eny, ny zavatra rehetra mihitsy aza, dia tsy afaka manao na inona na inona raha tsy misy lohany. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mametraka an’i Kristy ho Lohany, ary manorina ny finoany ao Aminy. Satria « Izy no itomboan’ny tena rehetra ». Raha tsy miorina tsara ao amin’i Kristy isika dia tsy afaka hanohitra ny fampianaran-diso, ary mety ho voataonany mihitsy aza. Tsarovy áry fa ny mpanompon’i Kristy dia manorina ny finoany ao Aminy.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiainanao ny maha-mpanompon Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe