Voasoratra hoe : « …Mba ho tonga amin’ny jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesoa, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy. » (and. 14)

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Septambra 2025

Sal 34.1-8 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 790.1,3

Galatiana 3,10 - 14
10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26). 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho velon'ny finoana] 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5). 13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23), 14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.

Voasoratra hoe : « …Mba ho tonga amin’ny jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesoa, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy. » (and. 14)

Inona no dikan’izany ho antsika mino?

1. Isika mino an’i Kristy JESOA dia misitraka ny fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra tao amin’i Abrahama raha nambarany ny hoe: « aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany » (Gen. 12,3; Rom.3,8). I JESOA izany fitahiana izany!

2. Isika mino dia misitraka ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy Masina izay ambaran’i Paoly rahateo fa nanisiana tombo-kase antsika ho zanak’Andriamanitra (Efes.1,13), ka miara-miteny amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika (Rom.8,16)!

3. Isika mino dia akamban’izany finoana izany ho iray na Jiosy na Jentilisa: manjary zanak’i Abrahama amin’ny finoana an’i JESOA na isika Jentilisa araka ny nofo aza, ary samy mandray ny Fanahy Masina iray ihany tahaka ny Jiosy koa!

Fanontaniana:

Tsapanao ve izany tombontsoan’ny maha velon’ny finoana antsika izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe