Hoy i Jesoa : «Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.» (and. 23)
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Septambra 2025
Sal.11, 4-6 / Hira 447 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487, 1, 3
Marka 9,14 - 29
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho et? aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].Marka 9,14-29
Hoy i Jesoa : «Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.» (and. 23)
Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray raha manazava izany : «Tsy tokony horaisina ho fanomezan-toky foana izany fanambaran’i Jeso izany.
(1) Ny «zavatra rehetra» tsy midika akory ho ny zavatra rehetra izay mandalo ao an-tsaintsika ao. Ny vavaka araka ny finoana dia mifototra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, fa ny fangatahana zavatra tsy amil-pahendrena no diso (Jak. 4, 3)
(2) Ny finoana ilaina eto dia tsy maintsy raisina ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Izy no mametraka izany ao am-pon’izay mangataka marina tokoa, ary velona amin’ny fahatokiana Azy sy araka ny sitrapony (DC Stamps)
Hoy ny rain-drazazalahy :
«Mino aho : vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.» (and.24) «Ny olona tena mino dia tsy matoky ny tenany sy ny hevitry ny tenany intsony, fa ny Mpamonjy azy no iantsampazany sy hany itokiany tokoa. Izany tokoa mantsy no tena endriky ny finoana marina, fa raha ny tena dia fantatra mihitsy ny fangozohozony sy ny tsy anaovana azy ho fanorenana; nefa kosa nahita sy manana. Izay azo antoka indrindra ho mamikitra sy tsy azo akisoka amin’ny fitanana Azy irery ho antoka sy toky.» (Rakotonirainy Jonson, Mpitandrina)
Fanontaniana :
Mino izany sy mino Azy va ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe