Hoy I Petera
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Septambra 2025
Sal 119.9-16 / Hira150 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 430.1
Asan'ny Apostoly 3,12 - 16
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany] 14 Fa ianareo nandĂ Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.Alahady, faha 21 Septambra 2025
Sal 119.9-16 / Hira150 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 430.1
Asanâny Apostoly 3.12-16
Hoy i Petera:
« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo aminâny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. » (and.16)
Finoana mahasitrana no ambara eto. Manao ahoana izany finoana mahasitrana izany?
1. Finoana ny anaranâi JESOA.
I JESOA no « Ilay Masina sy Marina » (and.14), « Tomponâny aina »(and.15), maty nefa « natsangan Andriamanitra taminâny maty »(and. 15). « Ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy io », hoy i Petera. Satria mahery ny anaranâi JESOA (Asa 3,6).
Te ho sitrana ve ianao? Minoa ny Anaranâi JESOA. Ataovy « aminâny Anaranâi JESOA » hatrany ny vavakao, dia ho hitanao ny heriny (Jao. 14,13-14).
2. Finoana azo aminâny alalanâi JESOA
I JESOA no hizingizininâi Petera ho fototry ny zavatra rehetra. Izy no loharanonâilay finoana: « ny finoana avy aminâi JESOA », hoy ny DIEM. Izany hoe: sady Izy no inoana, no Izy no manome ny finoana. Dikany: Minoa anâi JESOA. Omeny ny finoana: raiso! Tsy ny fahasitranana, araka izany, no tokony hahamaika, fa ny finoana anâi JESOA!
Fanontaniana:
Tena mino an âi JESOA ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe