Miavaka eny hatrany ireo mpandresy ao amin’i Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Aprily 2022
1 Korintiana 15,54 - 58
54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] 55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). 56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. 57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

I Korintiana 15. 54-58

Miavaka eny hatrany ireo mpandresy ao amin’i Kristy

 

1 – Miorina tsara

Zava-dehibe ary misy akony eo amin’ny mpino ny fandresen’ny Tompo ny fahafatesana. Mahatonga ny mpino hiorina tsara izany. Hiorina ao amin’i Jesoa Ilay vato fehizoro. Oharin’i Jesoa amin’ny 01mpanorina trano ambony vatolampy izay mandray ao am-po ny Teniny. Tsara fototra ka tsy mihontsona na eo aza ireo te hisarika amin’ny fampianaran-diso izay manozongozona ny fampianarana sy ny fahamarinana momba an’i Jesoa.

2 – Miroso hatrany

Ny teny hoe : « Aza miova » dia famporisihana izay efa miorina tsara mba hanohy hatrany ny dingana efa natomboka amin’ny fanompoana. Tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady fa miroso na amin’ny mora na ny sarotra. Miroso amin’ny fahatsarana hatrany.

3 – Mahefa be mandrakariva

Miasa tsara, miasa mafy. Manatsara hatrany ny zava-bita teo aloha. Tsy mitady sitraka amin’olona na miandry entanina lava fa manompo hatrany. Mpitrosa ka mba mamaly fitia Ilay nandatsaka ny rany teo Kalvary. Tsy mitarain-tana-miepaka velively. Manompo amin-joto.

4 – Manana fanantenana miavaka

« Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. » Maro ireo teny mamy omen’ny Tompo antsika. « Izay rehetra efa nahafoy … noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay » (Mat. 19, 29). Valim-bavaka manomboka eto sy anio.

Fanontaniana :

Mitondra inona eo amin’ny mpino ny nandresen’i Kristy ny fahafatesana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Foana ny fasana

Alahady, 17 Aprily 2022

  Foana ny fasana Anisan’ny foto-pampianarana manan-danja ao amin’ny Soratra Masina ny fitsanganan’ny tena amin’ny…

Ny hira fiderana an’Andriamanitra

Asabotsy, 16 Aprily 2022

Ny hira fiderana an’Andriamanitra 1 – Noho ny famonjena nataony Tsy biriky mandrafitra ny manda…

Lahatr’Andriamanitra ho an’ny zanany

Zoma, 15 Aprily 2022

Lahatr’Andriamanitra ho an’ny zanany 1 – Tsy maintsy miaritra fijaliana I Jesoa Kristy na dia…