Ny fanjakan’ny lanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Febroary 2021

Matio 13.47-52

Matio 13.47-52
47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; 48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. 49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, 50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. 52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.

Ny fanjakan’ny lanitra

1-Itaomana ny olona rehetra

« …ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra ». (and.47)

Oharina amin’ny harato tarihina ny fanjakan’ny lanitra eto. Ny harato  tarihina entina ilazana ny filazantsara, ary ireo voavory samy hafa karazana dia ireo nandre ny filazantsara ka milaza ny tenany ho kristiana avokoa na ny mino na ny tsy mino. Mifangaro ao anatin’ny Fiangonana avokoa ny marina sy ny tsy marina, amin’izao andro ankehitriny izao, vokatry ny fitoriana ny filazantsara. Samy miangona avokoa ny handova fiainana mandrakizay sy ny ho any amin’ny fahaverezana. Araka izany, itaomana ny olona rehetra, na ny handova fiainana mandrakizay na tsia ny fanjakan’ny lanitra, dia ny Fiangonana izany.

2-Anavahana ny tsara sy ny ratsy

« …hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina ». (and.49)

Amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy anjelin’ny lanitra hivoaka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina. Nihevitra mantsy ny Jiosy fa misy anjely ratsy amin’izao  andro ankehitriny izao ary anjely tsara ho avy. Andriamanitra haniraka mpitondra mitafy hery ho avy hametraka ilay anjely tsara amin-kery. Koa rehefa tonga ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy fanavahana ny ratsy fanahy hiala amin’ny marina, ny ho very ho sarahina amin’ny olona handova ny fiainana mandrakizay. Amin’izay fotoana izay, ny fanjakan’ny laitra dia fanavahana ny tsy marina amin-kery hiala amin’ny ho voavonjy.

Fanontaniana

Efa vonona handova ny fanjakan’ny lanitra ve ianao ? Ahoana ny fiomananao amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mibebaka amin’Andriamanitra

Talata, 23 Febroary 2021

Ny olona mibebaka amin’Andriamanitra 1-Maharitra mamaky soratra masina sy mivavaka  » …dia namaky ny teny…

Ny olona miantso an’Andriamanitra R...

Alatsinainy, 22 Febroary 2021

Ny olona miantso an’Andriamanitra Ray 1-Miaina ny fahamasinana « …dia mitondrà, tena amin’ny fahatahorana mandritra ny…

Ny Filazantsara

Alahady, 21 Febroary 2021

Ny Filazantsara 1-Raisina amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy « …tsy noraisinareo ho tenin’olona fa araka izay marina dia…