Ahoana no efa niainanao izany hoe : Andriamanitra mihaino sady tsy mandao izany ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Janoary 2021

EKSODOSY 33.12-23

EKSODOSY 33.12-23
12 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao. 13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity. 14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho. 15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala at?. 16 Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao. 17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho. 18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. 19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo. 20 Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. 21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao; 22 koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.

Ahoana no efa niainanao izany hoe : Andriamanitra mihaino sady tsy mandao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no hevitry ny hoe : »ny hazo...

Talata, 26 Janoary 2021

Inona no hevitry ny hoe : »ny hazo fijaliana« mialohan’ny satroboninahitra? Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Raha ny tantaranao no jerena , inon...

Alatsinainy, 25 Janoary 2021

Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no…

Ahoana ny fijerinao ny fomba nentin...

Alahady, 24 Janoary 2021

Ahoana ny fijerinao ny fomba nentin’i Paoly nitory an’i Kristy tamin’ny Ateniana ? Sampana Sekoly…