Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no efa tsaroana fa nahakasika anao mivantana?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Janoary 2021

SALAMO 111.1-9

SALAMO 111.1-9
1 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha] 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.

Raha ny tantaranao no jerena , inona avy tamin’ireo toetran’Andriamanitra tanisain’ny mpanao salamo ireo no efa tsaroana fa nahakasika anao mivantana?

Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ahoana ny fijerinao ny fomba nentin...

Alahady, 24 Janoary 2021

Ahoana ny fijerinao ny fomba nentin’i Paoly nitory an’i Kristy tamin’ny Ateniana ? Sampana Sekoly…

Masi-mandidy amin’ny olony Andriama...

Asabotsy, 23 Janoary 2021

Masi-mandidy amin’ny olony Andriamanitra ka : 1-Manasoa izay manaiky fefena (and 9) Hoy i Jehovah…

Saro-piaro amin’ny Voninahiny i Jeh...

Zoma, 22 Janoary 2021

Saro-piaro amin’ny Voninahiny i Jehovah 1-Ka taominy hanova famindra ny olony (and31,32) « …koa menara sy…