Hatraiza ny fahatokianao an’i Jesoa?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Janoary 2021

APOKALYPSY 1.1-8

APOKALYPSY 1.1-8
1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. 4 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr. eklesia] 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa] 6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. 8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.

Hatraiza ny fahatokianao an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Tsy manao an-kinafinafina Andriaman...

Talata, 19 Janoary 2021

Tsy manao an-kinafinafina Andriamanitra 1-Fa lazainy mazava ny fahadalan’ny olony (and 22) « fa adala ny…

Andriamanitra dia mazava

Alatsinainy, 18 Janoary 2021

Andriamanitra dia mazava Inona moa no hevitry ny hoe : »mazava »? (and 7) Raha milaza ny…

Ny fanambaran’i Jaona (and 32,33)

Alahady, 17 Janoary 2021

Ny fanambaran’i Jaona (and 32,33) Hoy i Jesoa mamaly ny Jiosy hoe : « Misy anankiray…