Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

1 Timoty 2.1-4
1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

1 Timoty 2.1-4

« Koa mananatra anareo  voalohany indrindra aho  mba hatao  izay fangatahana , fivavahana , fifonana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny  mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika  miadana  sy  mandry fahizay  amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra  sy ny fahamaontinana rehetra » 1 Tim 2.1

MIVAVAHA!MIVAVAHA!

Mitaona  antsika mba hivavaka ny Tenin’ Andriamanitra anio , manoloana ny toejavatra ianantsika sy andalovan’ny firenentsika  . Koa :

1-Mivavaha  ho an’ny olona rehetra

Ho an’ ny mpino kristiana toa anao, na ny samy hafa finoana aminao na ny tsy mpino an’ Andriamanitra mihitsy, na ireo tsara fihavanana aminao na ireo izay manenjika sy mankahala anao. Ny sokajin’olona izay tsy ampidirintsika amin’ny tonombavaka ataontsika dia mety hiteraka olana sy  hitondra fanakorontanana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika .

2-Mivavaha ho an’ny mpanjaka  sy ny manam-pahefana

Izany dia manomboka amin’ny filoham-pokontany, ny mpitsabo, ny  mpampianatra, mpitsara  sy mpamoaka ny didy … .Samy mampihatra ny fahefana amin’ny andraikitra ananany avy ireny ka ibaikon’ny Soratra masina mba ho entina am-bavaka .Tsarovy fa ny valimbavaka atolotr’ Andriamanitra dia mety tsy ho takatry ny saintsika, fa ny anjarantsika dia ny mankato izay asain’ny Tenin’ Andriamanitra ataontsika .

3-Ny tanjon’ny fivavahana eto :

Mba hananantsika fiadanana, lavitry ny tebiteby sy ny ahiahy, mba ho mandry fahalemana isika , amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaontinana . Andriamanitra dia afaka miasa sy miditra an-tsehatra amin’ny toe-javatra misy rehetra. Ny vokatra voalohan’ny vavaka ataontsika dia tena soa ho antsika , ho an’ny fiainantsika manokana  sy ny toe-panahintsika. Tsarovy fa Andriamanitra dia manomana zavatra lehibe tsy takatry ny saintsika ho valin’ny vavaka ataontsika .

Fanontaniana :

Site Web FOIBE fJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Manolotra ny  fiainany  ny Tompo 

Alahady, 29 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny Tompo  Matio  20.20-28 « Tsy fantatrareo zay angatahanareo Ny  mifanohitra  amin’ny fampianaran’ny…

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Asabotsy, 28 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo Genesisy 2.4-9 1-Ny olombelona  « Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra …