Mibebaha  eo anatrehan’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Martsa 2018

Mibebaha  eo anatrehan'ny  Tompo 

Matio   26.30-35
30 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva. 31 Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7). 32 Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia. 33 Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay. 34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. 35 Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.

Mibebaha  eo anatrehan’ny  Tompo 

Matio   26.30-35

Mitarika  ny  mpianany hivavaka i Jesoa 

1- Midera   an’ Andriamanitra   i Jesoa 

Eny an-dàlana  ho any an-tendrombohitra  Oliva i Jesoa  mitarika  ny  mpianatra  hiombom-bavaka  sy hiatrika  ny  fijaliany . Manaova  fiderana  ny  Tompo   ho fanatanterahana  ny sitrapon’ ny  Tompo  . Hanatanteraka  izay  voasoratra  momba Azy  i Jesoa  Kristy . Manaiky  Izy hiharan’ny  Tenin’ Andriamanitra (and3; Zak 13.7) . Tsy  ny fahazoan-javatra  na  tombotsoa  manokana   no hiderana  ny  Tompo  fa ny  fanaovana ny  sitrapon’ Andriamanitra .

2-Manambara   ny famonjeny ny Tompo 

Manambara   ny  fahafatesany   sy ny fitsanganany   i Jesoa  Kristy  . Hovonoina  i Jesoa  dia hiparitaka  ny ondriny : ny mpianany  sy  ireo  mpanaraka  Azy  (and31) . Eken’i Jesoa  Kristy   izany   sitrapon’ny Rainy izany  mba hahatanteraka  ny  famonjena  ny  mpanota. Tsy izay  tian’ny olona tokoa  no famonjena  fa izay  fikasan’ Andriamanitra  . Tsy  maintsy  maty i Jesoa ho fibebahany ho antsika , ary tsy maintsy  atsangana Izy  mba  ho santatry  ny hahavelomantsika .

3-Mampibebaka  ny  mpianatra  ny Tompo 

Mampibebaka an’i Petera  sy ny Apostoly  i Jesoa Kristy  fa handà Azy izy ireo . Matotra  ny Tenin’i  Jesoa , handà  an’i Jesoa intelo  ny mpianany  amin’ny  ora misasakalina ka hatramin’ny telo  ora maneno akoho  . Marina ny tenin’ny  Tompo . Mieritrereta dia mibebaha  fa  tsy  mahay  mandainga  ny  Tompo . Tsy  fihetsehampo  no hanompoana ny Tompo  fa ho araka  ny sitrapon’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo 

Alarobia, 28 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo  Jaona 13.12-20 I Jesoa Tompo  sy mpampianatra  1-Manompo  ny  mpianany i…

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Talata, 27 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo Marka 14.3-9 Asa fibebahana  1-Fanosorana  menaka   an’i  Jesoa Kristy   Menaka  manitra…