Mibebaha  eo  anatrehan’ny  Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Martsa 2018

Mibebaha  eo  anatrehan'ny  Tompo

Jeremia  4.1-2
1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana, 2 Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.

Mibebaha  eo  anatrehan’ny  Tompo

Jeremia  4.1-2

Nanamarika  ny fiainan’ny Zanak’ Israely   fony   izy  ireo   tany  anefitra  ny tsy  fatokiana  tanteraka an’ Andriamanitra  .Nandefasana  menarana hanaikitra azy ireo  vao  nitalaho   fanavotana  sy vonjy  tamin’ Andriamanitra . Nomena  azy ireo  tamin’izay  ny menarana afo  ka izay  mijery izany  no  velona . Zava-dehibe izany  ny finoana sy ny fatokiana  an’ Andriamanitra  Tompo  fa :

1-Mahatonga  antsika aho mpandresy 

Na maro   aza ny  zava-tsarotra  isedran’ny  Tompo  ny fiainan’ny  mpino  dia mampifikitra azy  amin’ny finoana  sy ny fatokiana  ireny . Araka  ny tenin’ny mpanao Salamo  hoe: « soa  ihany   aho  nampahoriana mba hianarako  ny didinao « (Sal 119. 71). Eto  dia anarin’ny Tompo  isika hiverina  Aminy  ka handresy  ny fahafatesana  noho ny fahotana  fa Izy  no hamoaka  antsika  amin’ny fitahiana . Ny miverina  Aminy   ihany  no mandray ao  anatiny    ny fahamarinana . Aza  ela  isika . Manapaha hevitra hiverina Aminy .

2-Mahatanteraka ny teny fikasany  

Nolazain’i Jesoa Kristy   tokoa ny fahasambarana  ho an’ny  mpino  rehefa  nitory teny  tany an-tendrombohitra Izy . Tonga reharehantsika  ny manana Azy  ho Tompo  sy Mpamonjy  antsika rehefa  nandray  Azy isika . Tanteraka izany  izao  tenin’ny mpaminany izao  tao  amin’i Jesoa Kristy  Tompo . Koa  aoka  isika  hifikitra  amin’ny finoana  an’i Jesoa Kristy  dia hesoriny  ao  amin’ny fotaky  ny fahotana . Hisy loza  hanjo  izay  tsy  miverina ary  tsy  mibebaka (Jer 4.3)

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Zoma, 9 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo  Asan’ny Apostoly  3.17-21 1-Ampiany   isika handini-tena Ny   finoana  ananantsika  dia tsy …

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo

Alakamisy, 8 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo Joba 42.1-6 Fantatrao   fa hainao   avokoa   ny zavatra rehetra  , ary…