Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Lioka 11.27.-28
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Lioka 11.27.-28

Ny tena fahasambarana  

1-Hasambarana   tsy  araka  izay  iheveran’ny  maro  azy 

Tenin’ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon’i Jesoa Kristy  ity. Niloa-bava  izy , ka toy  ny niteny   fa raha  izy  no niteraka  an’i Jesoa  dia ho sambatra   indrindra . Heverina  anefa fa hasambarana  an’olo-tokana  izany  , hasambaran’ny reny nahavita nitaiza  sy nanabe ny zanaka , ka nahatonga  azy hanan-daza  eo amin’ny tany ama-monina . Izany no hasambarana heverin’ny ray aman-dreny sasany . Nofinofy anefa  ny azy satria tsy  zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io.Koa tsy araka izay hevitra  handraisan’ny olona  azy , na izay  zavatra  isitrahana  mahafalifaly ny saina  no atao hoe: hasambarana .

2-Hasambarana   araka  izay ambaran’ny Tompo 

Rehefa ren’i Jesoa Kristy ny hetahetan’ity  vehivavy  ity  dia manome vahaolana  Izy  . Ny fomba  ahitana  hasambarana ho an’ny  rehetra , tsy ho an’olo-tokana , dia nomen’i Jesoa Kristy . Ny tena hasambarana  dia ny  mihaino ny Tenin’ Andriamanitra  ka mitandrina izany  . Hasambarana  tsy  mandalo  na miserana fotsiny  fa tena maharitra  ary azon’ny  olona rehetra  isitrahana . Koa raha te-ho sambatra  kokoa ianao , aza atao  mandalo  aminao  fotsiny  , na natao  ho fahafinaretan’ny sofina  ny mihaino  sy miaina  amin’ny Tenin’ Andriamanitra . Ao  anatin’izany  ny famakiana  sy Soratra masina . Ho tsapanao  fa ho   loharanom-pahasambarana  ho anao tokoa  izany .

Fanontaniana:

Moa  manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain’i Jesoa Kristy ve ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa  ny Tenin’ny Tompo

Alakamisy, 1 Febroary 2018

Mihainoa  ny Tenin’ny Tompo Deoteronomia  21.18-21 Andraikitra  lehibe  ny fitaizana ny zanaka  1-Tsy maintsy  ataon’ny…

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Alarobia, 31 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo Hebreo 1.1-4 Ny halehiben’ny voninahitry ny Zanaka Ny halehiben’ny voninahitr’i…