Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Hebreo 1.1-4
1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Hebreo 1.1-4

Ny halehiben’ny voninahitry ny Zanaka

Ny halehiben’ny voninahitr’i Kristy  no tanisaina  eto mba hahaizantsika  midera Azy sy mametraka Azy amin’ny toerany :

1-Izy  no voatendriny  ho mpandova  ny zavatra rehetra 

Azy ny zavatra rehetra , ary afaka  mizara  izany  amin’izay  Azy Izy . Amin’izany  dia tonga  mpiray  lova Aminy  izay  rehetra mino  (Rom 8.17;Gal 4.7)

2-Izy  no nahariana  izao  tontolo izao  

Tsy mba isan’ny voahary  tahaka izay mpaminany fahiny   na tahaka ny anjely Izy  . Efa  tao amin’ Andriamanitra  hatrizay  hatrizay  Izy . Tamin’ny alalany no nahariana  ny zava-boahary  rehetra (Jao 1.1;3.1;1 Ko 8.6)

3-Izy   no famirapiratan’ny voninahitr’ Andriamanitra 

ry hitanay  ny voninahiny

4-Izy  no nanao  fanadiovana hahafaka amin’ny fahotana 

Tamin’ny  nanaterany  ny tenany  indray mandeha  no nanadiovany  ny mpanota ho afaka  amin’ny fahotana rehetra. Tsy  misy  fomba hafa hahazoantsika famonjena afa-tsy  izay nataony  ho antsika .

5-Izy dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny lehibe any amin’ny avo

Rehefa  vitany  ny  asany   dia naka  ny  toerana ambony  nomena Azy Izy , Mpanjakan’ny mpanjaka Izy  , Mpisorona  mandrakizay  , ilay  mipetraka amin’ny seza fiandrianana avo  indrindra (Apo  5.13).

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Manapaka  amin’ny  fahefany  ny  Tom...

Talata, 30 Janoary 2018

Manapaka  amin’ny  fahefany  ny  Tompo  Isaia 47.1-5 Andriamanitra  no Tompon’ny  fahefana rehetra  1-Afaka  manaisotra  ny …

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alatsinainy, 29 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Matio  8.1-4 « Mety Aho  , madiova  ianao » Tena sitrak’i Jesoa…