SP 12 / SFL
NY VONDROMPARITANY LAIKA ANTANANARIVO ATSINANANA
TANY MORONDAVA
Tontosa soamantsara tany Marofototra, 14 km tsy idirana anâi Morondava, renivohitry ny Menabe ny Fihaonambenâny Laika ny 24-27 Aogositra lasa teo. Iray aminâireo Vondrom-Paritany Laika eto Antananarivo sy ny manodidina ny VPL Antananarivo Atsinanana tarihinâny Filohany RAZAFIMAMONJY Fernand.
VONTOSY FILAZANTSARA MENABE
Ny Sampana VFL Soamanandrariny miaradia sy VFL Ambohitrarahaba dia efa niainga mialoha nanatanteraka Asa Fitoriana Filazantsara mialoha tany an-toerana. Niara-niasa manokana taminâny FJKM Mahagaga-Morondava ny VFL Soamanandrariny manokana.
Niisa teo aminâny 130 ny VPL Antananarivo Atsinanana nanatrika ny Fihaonambe SFL, ary teo aminâny manodididina 3500 kosa ireo vahoakanâAndriamanitra eranâny lafy valonâny Nosy. Tao aminâny FJKM Mahagaga Morondava ny fanokafana ny Fihaonambe ka ny Tonianâny Departemantanâny Fiangonana, ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona no nitondra ny hafatry ny teninâAndriamanitra sady nanokatra rahateo ny Fihaonambe SFL izay nibanjinana ny lohahevitra hoe:âLAIKA
VAVOLOMBELONA MAMPANDROSO FIANGONANAâ.
TSARAFOTOTRA
Taorianâny fanombohana dia niverina nitodi-doha teny aminâny tanĂ na âTSARAFOTOTRAâ, toerana nanaovana ny Fihaonambe ny rehetra. Anisanâny nitondra Fampianarana taminâizany ny Tonianâny Departemantanâny Fiangonana sy ny Ny Mpitandrina RAMAMONJISOA Robert, Komity Foibe SFL – FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina. Raha itsy voalohany nitondra ny fampianarana hoe:âSAMPANA FIVONDRONANA LAIKA MANINTONAâ ka mahataona sy mahababo olona ho an âi Kristy ; Ito farany kosa dia namelabelatra momba ny âTOEPANAHY FAHAFOIZANAâ, ka hanolorany maimaimpoana aminâny asanâAndriamanitra. Raha manintona ny hafa ny Laika dia hiorina ny fahamarinana ary ho lavitry ny kolikoly. Ho laika âtsara fototraâ hampandroso ny Fiangonana, ny Fiaraha-monina ary ny Firenena.
âIsaorana ny Tompo fa nampiharana tany tokoa ny Fanahinâny fahafoizana tao aminâireo mpizaika ka nahazoana nanao tolotanana hanorenana ny trano Fiangonana ao BEFASY, ka ho 23 ireo Fitandremana ao aminâny Synodamparitany Fahazavana Atsimo Andrefana 36, aminâny taona 2019, tsangambatonâny faha-40 taona niorenanâny SFLâ, hoy ny Filohanâny SFL Foibe, Atoa RADAVIDSON Benjamin Andriamparany.
Taminâny fotoana famaranana ny Fihaonambe ny Alahady 27 Aogositra dia tonga teny an-toerana ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Nijoro vavolombelona fa tsy afaka misaraka aminâny fampandrosoana ny firenana ny asanâny Fiangonana, raha nandray fitenenana izy. Fa mialoha izay dia ny Filohanâny Jobily fankalazana ny faha 50 taona ny FJKM sy ny faha 200 taona nidiranâny misionera LMS, Atoa RAVALOMANANA Marc no namariparitra ny asa miandry ny FJKM ary hantenaina, hoy izy, fa handray anjara betsaka aminâizany ny Laika FJKM aminâny famitana ny trano eny aminâny Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Mamory Ivato sy eny aminâny Sekoly David Jones Anjoma,Toamasina.
Namarana ny fandraisam- pitenanana ny Mpitandrina RADIMISAONA Jonah, Sekretera Jeneraly FJKM nisolotena ny Filohanâny Birao Foibe FJKM.Ny Sabotsy 26 Aogositra maraina dia nitsidika ny torapasiky KIMONY raha teny aminâny ny âAllĂ©e de Baobabâtahaka ireo mpizaika rehetra ny solontenanâny mpizaika avy aminâny VPL Antananarivo Atsinanana.âHitondra ainga vaovao hoanâny VFL isam-pitandremana anie izao Fihaonambe izao. Ary ho fanoitra lehibe aminâny fampandrosoana any aminâny isam-pitandremana ny FJKM manontoloâ, hoy ny Filohanâny SFL.Any Fianarantsoa indray mihaona aminâny taona 2019 miara-mankalaza ny faha 40 taonanâny SFL.
Solotena nanatrika, ALISON ANDRIAMAHEFA
Mpitantsoratra VPL Antananarivo Atsinanana