Zanaky ny Fiangonana tomponandraikitra

FIHAONAN’NY BMF tamin’ireo

ZANAKY NY FIANGONANA

Manana andraikitra eto amin’ny firenena


Zava-dehibe amin’ny FJKM ny fihaonana amin’ireo zanany manana andraikitra samihafa eto anivon’ny firenena na sehatra tsy miankina io na fanjakana. Mila ampaherezina izy ireny satria: fantatra tsara ny fahasarotan’ny andraikitra raisin’izy ireo sy ny adidy sahaniny. Ilaina araka izany ny fampaherezana azy ireny, mba ho tonga vavolombelona mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Noho izany indrindra no antony niantsoana ka nampivondronana azy ireo hahafahana manome toromarika samihafa, ary isian’ny fifankafantarana, izy samy izy ary koa, izy sy ny Foibe FJKM.

Ny sabotsy 01 jolay 2023 teo tao amin’ny Oniversity FJKM Ravelojaona, no natao ny andiany faharoa, tamin’ity fihaonana tamin’ny zanaky ny Fiangonana manana andraikitra samihafa eto amin’ny firenena ity, raha toa ka teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no natao ny andiany voalohany ny volana Desambra taona 2018. Nahatratra 300 mahery izy ireo tamin’izany, satria natambatra avokoa izy ireo. Niavaka ny tamin’ity taona ity satria nosakajiana: voalohany,eo ny mpiasam-panjakana ny maraina, faharoa ny mpandraharaha ara-toekarena tsy miankina amin’ny fanjakana ny tolakandro;

Ny sabotsy 05 Aogositra 2023 izao kosa ny ampahany faharoa amin’ity andiany faharoa ity, ka ireo mpanao lalàna ny maraina, ireo mpitsara ny tolakandro, fantatra fa hisy ny fotoana ho an’ireo zanaky ny Fiangonana eny anivon’ny Andrim-panjakana izay hamarana azy. Nisy tamin’izy ireto no avy lavitra any Amparafaravaola no tonga niakatra taty Antananarivo nanatrika izany. Santatra am-bavarano ity natao teto Antananarivo ity, fa mbola ho avy ny manetsa be any amin’ny faritra samihafa, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM


Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV