SP 10 / Fitokanana Sekoly FJKM.
LycĂ©e Lovanavela Ambodihady VaovaoÂ
Sekoly mijoalajoala, tsy manan-tsahala efa be mpahalala, manara-penitra no notokanana ny Alahady 10 septambra 2017 teo dia ny LYCEE PRIVEE FJKM LOVANAVELA eny Ambohimanarina (SPAA 10), izay tsangambaton’ny faha 125 taonan’ny FJKM Ambodihady Vaovao. Fito taona no lasa vao tanteraka izay kinasa. Ny lavany dia mahatratra 23 metatra, ny sakany 12 metatra, ary ny hahavony 13 metatra. Misy rihana roa ary ahitana efitrano lehibe sy malalaka miisa 12, birao telo, tranon’ny mpiambina iray, ankoatra ireo miampy WC (toilette), ny tokontany midadasika.
Izao asa izao no tontosa dia noho ny fitahian’Andriamanitra sy ny fahafoizan’ny tsirairay.
Izany tokoa no hoe: “enta-jaraina mora zaka”, “tao-trano tsy efan’irery” fa dia nanolotra izay vitany tsy an-tery ny Fiangonana sy ireo mpiara-miasa rehetra!
Toy izao ireo voavory nandritra izay fotoana izay:
1-Vola avy amin’ny Fiangonana : 197 721 437 Ariary
2-Fitaovana avy amin’ny Fiangonana : 3 591 000 Ariary
3-Sekoly Foibe FJKM : 2Â 000Â 000 Ariary
4-Joie et Partage : 16Â 330Â 000 Ariary
5-Réhabil Suisse : 52 426 718 Ariary
-Fitambaran’ny vola niditra rehetra izany dia 272 069 155 Ariary
-Ny vola navoaka kosa : 269Â 590Â 828 Ariary
-Ny eo am-pelatanana : 2Â 478Â 327 Ariary
Ny ezaka vitan’ny Fiangonana izany dia 201 312 437 Ariary (74%)
Ny fanampiana ivelany: 70Â 756Â 718 Ariary (26%)
Koa tsy menatra mijoro ho vavolombelon’ny Tompo isika FJKM, satria na dia miahy tena aza mahavita fotodrafitrasa goavana tahaka izao.
Evariste RASOLOHERY