P. Ramangarivo Zoly/Jobily

MIATRIKA NY JOBILY FISOTROAN-DRONONO

RAMANGARIVO  Zoly Mpitandrina mivady

Anarana tsy zoviana amin’ny maro, raha eto amin’ny sehatry ny FJKM, ny Mpitandrina RAMAMGARIVO Zoly Solo Mampionona. Ankehitriny dia handeha hisotro ronono izany mpanompon’Andriamanitra izany rehefa niasa naharitra nandritra ny 41 taona teo amin’ny sehatry ny FJKM.

Nanomboka ny taona 1982 izy no niditra teo anivon’ny fampianarana tao amin’ny sekoly FJKM Ambohitrimanjaka, raha ny taona 1988 kosa no nivoaka ho Mpitandrina ary voatendry tao amin’ny FJKM Babay Synodamparitany Isotry Vangaina tamin’izany fotoana izany, toerana izay nanokanana azy ho Mpitandrina. Taorian’izay dia nitandrina  tao amin’ny FJKM Amboasarikely Antsahavola sy ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina izy. Ankehitriny dia mitondra ny FJKM Antampontanana Ambatolampy SP 38 ity Mpitandrina ity ary dia feno 41 taona ny niasany.

            Maro be ny andraikitra efa notanany,  fa sady mpampianatra no efa nitana ny andraikitra ny asa maha talen-tsekoly ary teo koa ny asa maha Mpitandrina izy. Ankoatra izay dia maro ny sehatra nahalalana azy teo anivon’ny Fiangonana dia ny naha filoha mpanampy Foibe SAFIF azy ary ny naha Mpiandraikitra Foibe ihany koa raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika.

Araka izany dia ny alahady 15 Janoary 2023 lasa teo no nosokafana tamin’ny fombam-piangonana ny Jobily fisotroan-dronono ho azy mivady izay ny Mpiandraikitra Foibe, Robert RAMAMONJIARISOA, Mpitandrina no nanokatra izany sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny teny fanevan’izao Jobily izao hoe : “Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy”(Joba 23,14a). Fiaraha-nidera an’Andriamanitra niaraka tamin’i Mialy RAKOTOMAMONJY no namaranana ny fotoana ny tolakandron’io.

Raha ny tetik’andro indray dia ny 01 sy 02 Jolay 2023 izao no Ivon’ity Jobily, raha  ny faran’ny taona kosa no Famaranana izany. Hetsika maro samihafa no kasain’ny Komity (KOFI 41) hatao hanamarihana izany araka ny nambaran’ny Filoha lefitry ny Komity, Dera RANDRIANARIVONY taminay.

“Feno fifaliana izahay nanao ny asan’ny Tompo, na dia làlana maro sy toe-javatra samihafa  aza no nolalovanay, vao tonga amin’izao fotoana izao izahay mivady sy ireo zanakay”, hoy ny Mpitandrina.    

RAMANGARIVO Zoly, Mpit.mivady

TSIRIMANANA Solofotiana, Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV