Teny soa mahafaly
Mikeleza aina aminâny asa fitoriana any aminâny fahavalo
Jona 3.1-10
Tena sarotra sy manahirana indrindra ity iraka nampanaovina an’ i Jona ity, satria fahasahiranana roa sosona. Ny voalohany dia ny hoe : mandehana mitory ny Filazantsara aminâny olona tsy fantatra, izany dia efa manahirana, fa ny tena loza faharoa dia tsy mba namana na havana na mpiray Firenena no hitoriana fa ny fahavalo dia tsy iza izany fa ny Asyriana , izay nampijaly sy namono ny Israely, ary I Ninive no renivohiny . Kanefa ny soratra Masina kosa dia milaza fa mikeleza aina aminâny asa fitoriana any aminâny fahavalo.
1- Na dia andaniam-bola izany (and 1-4)
« Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’i Jehovah. Ary Ninive dia tanĂ na lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, dia lĂ lana hateloana. 4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanĂ na lĂ lana indray andro ka nitory hoe : Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive« . (and3)
Tena efa volabe no laniniâI Jona taminâity iraka nampanaovina azy ity. Teo aloha ny vola laniny nandeha nandositra an I Jehovah izay nandoavana saran-dĂ lana lafo dia lafo satria niainga avy any Israely izy no nandoa vola nankany Tarsisy ( Espana ankehitriny), izay firenena roa mifanalavitra be, fa rehefa naverin’ I Jehovah taminâny tafiotra sy ny trondro vaventy izy dia voatery tsy maintsy mbola nandoa vola be faharoa ihany koa, satria raha lĂ lana avy any Israely mankany Ninive izay any Iraka ankehitriny , satria lĂ lana 1Â 000 km mahery izany. Ary satria I Ninive dia tena tanĂ na lehibe dia lehibe dia tsy maintsy mandeha lĂ lana hateloana aloha vao afaka mamakivaky sy manavatsava izany tanĂ na izany; ary matoa I Jona nahavita nandeha namaky ny tanĂ na nandritra ny indray andro manontolo dia nisy fampiasam-batana natao tao izany hoe : mandeha tongotra indray andro izany dia tena tsy mora, fa azo antoka fa mbola nandany vola nanakaramana olona nampiantrano, tsy maintsy nividy sakafo sy rano tany an-taninâolona sns. Tena azo antoka fa vola be dia be no lany taminâizany kanefa tsy nahoanâI Jona izany. I Jesoa koa rahateo tsy nitandro vola aman-karena nandeha nitety ny tany rehetra hahazoanâny olona famonjena . Tena maro be ny Malagasy no mandany vola sy hery mba ho any andafy, na io handeha hizaha tany, na hitsabo tena ,na hianatra na hiasa na handraharaha na hitady vady vazaha. Fa vitanao ve ny mitady vola handehanana any Frantsa na India na Chine na Arabia sns mba hitory ny Filazantsara? Mikeleza aina aminâny asa fitoriana na dia aminâny fahavalo aza.
2- Famonjena ho azireo izany (and 5 -10)
Â
« Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lĂ lany ratsy sy ny fandozana eny an-tĂ nany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10.Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lĂ lan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (and8,9,10)
Teny mahagaga sy mahavariana sy tsy nampoizina mihintsy ny fihetsika nataonâireto mponina tao Ninive ireto izay tena mpanompo sampy , satria vahiny izay resiny indray no tonga avy any mitabataba ao an-tanĂ na milaza hoe :ho ravana I Ninive afaka efa-polo andro . Dia nino sy nibebaka mafy izy reo .Ny mahavariana dia izao : tsy ny vahoaka tsotra ihany no nino izay nolazain’ I Jona, fa hatraminâny mpanjaka faratampony taminâny hery sy ny fahefana sy ny voninahitra dia namoaka didy mihitsy mba hibebahanâny rehetra sy hiala aminâny ratsy . Ary ny fibebahanâireto mponina tao Ninive ireto dia tena ohatra tsara , ary na I Jesoa aza dia mitantara ny mahatsara sy ny maha- hafa ny fibebahan âizy ireo. (Mat 12.41)
Iza no tena heverinao fa tena fahavalonao eto an-tany? Olona ao an-trano ihany ve sa fianakaviana sa mpifanolo -bodirindrina sa mpiara-miasa sa manam-pahefana sa vahiny sa mpanao politika sa iza ? . Mikeleza aina aminâny asa fitoriana any aminâny fahavalo.
Pasteur NDRIANJA Andrianaharijaona