Mpanazava sy Tily

Mpanazava sy Tily Analamanga Atsimo

Nanamarika ny Tontolo andro maitso

Tsy marin-toerana tanteraka ny toetrandro iainantsika ankehitriny. Antoka iray mampilamina ny toetrandro ny fisian’ny ala. Miha ringana tanteraka anefa ny ala ankehitriny. Vokatry ny faharinganan’ny ala dia tsy gaga isika raha mihamafy ihany koa ny fiantraikan’ny loza voajanahary eto amiintsika. Hita izany tamin’ny fahatongavan’ny andro ratsy teto aminntsika farany teo iny. Mahery vaika hatrany ny rivotra ary betsaka ny rotsakorana nentiny, ka zary fahoriana hoan’ny maro amintsika ny fisian’ny andro ratsy toy ireny.

Tsara ho fantatry ny tsirairay anefa, fa soa hoantsika ny rotsakorana entin’ny andro ratsy raha tomombana tsara ny fitahirizana azy. Iny orana entiny iny mantsy dia mampitsiry ahitra sy ny vary ary manampy amin’ny fambolena sy fiompiana. Vahaolana iray mahomby ny fambolen-kazo. Nitandavana ny fahitana ny fambolenkazo notanterahan’ireo vondrona sy seha-panabeazana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Isany amin’izany ny vondrom-panabeazana skotisma. Ny Mpanazava sy Tily Analamanga atsimo dia nanatanteraka izany ny Sabotsy 5 Marsa 2022 lasa teo. Vaindohan-draharaha tamin’izany ny fambolena hazo izay nomena ny anarana hoe “tontolo andro maitso analamanga atsimo”. Hita tany avokoa ny fanabeazana, fambolen-kazo, lalao sy fanentanana amin’ny fiarovana ny ala. Teny hita teny amin’ny fafana narantin’ny beazina ny hoe “ Ny volo lava no tokony ho tapahana fa tsy ny ala “. Teny fanentanana io ary ireo ankizy beazina no nanoratra azy, izay toa misarika antsika hisaina sy hitandro ny fanapahana ala amin’ny tsy antony izay tsy dia manao ahoana akory. Isika Kristiana indrindra no tokony ho sarotiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra ny ala.

Ryja Kely

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV